FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/95 p. 3-4
  • Aoka Hamirapiratra Hatrany ny Fahazavantsika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Hamirapiratra Hatrany ny Fahazavantsika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’ mba Hahazo Voninahitra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Araho Ilay Fahazavan’izao Tontolo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 12/95 p. 3-4

Aoka Hamirapiratra Hatrany ny Fahazavantsika

1 Inona no atao hoe fahazavana? Ny diksionera dia mamaritra azy io hoe “zavatra izay mahatonga ny fahitana hety”. Raha ny tena izy anefa, na dia eo aza ny haitaony mandroso, ny olombelona dia mbola tsy mahafantatra amin’ny fomba feno ihany ny valin’ilay fanontaniana napoitran’i Jehovah ary voarakitra ao amin’ny Joba 38:24. Afaka ny ho velona tsy misy fahazavana ve isika? Raha tsy misy fahazavana, dia tsy ho afaka ny hisy isika. Tena ilaina ho an’ny fahitana ara-bakiteny ny fahazavana, ary milaza amintsika ny Baiboly fa, amin’ny heviny ara-panahy, “Andriamanitra dia [fahazavana, NW]”. (1 Jaona 1:5). Miankina tanteraka amin’Ilay “manome fahazavana antsika” isika. — Sal. 118:27, NW.

2 Marina izany amin’ny heviny ara-bakiteny, nefa vao mainka marina aza amin’ny ara-panahy. Nitarika ny sarambabem-bahoaka ho amin’ny lalan-diso ny fivavahan-diso, ka namela azy ireo ao amin’ny haizina ara-panahy, “mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba”. (Isaia 59:9, 10). Voatosiky ny fitiavany sy ny fangorahany tsy misy toa azy i Jehovah ka ‘nampandeha ny fahazavany sy ny fahamarinany’. (Sal. 43:3). Olona velom-pankasitrahana an-tapitrisany maro ara-bakiteny no namaly, ka niala “tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. — 1 Pet. 2:9.

3 Manana anjara asa tena lehibe i Jesosy Kristy amin’ny fitondrana io fahazavana io ho eto an-tany. Hoy izy: “Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.” (Jaona 12:46). Natokany ho amin’ny fampahafantarana ny fahazavan’ny fahamarinana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany rehetra. Namakivaky ny tany niaviany izy, nitory sy nampianatra saika tao amin’ny tanàna sy ny vohitra rehetra. Niaritra fanenjehana tsy an-kiato avy tamin’ny lafiny rehetra izy, nefa niorina tsara foana tamin’ny asa nasaina nataony hampielezana ny fahazavan’ny fahamarinana.

4 Nifantoka tamin’ny fifantenana, fampiofanana ary fandaminana mpianatra i Jesosy, tamin’ny fananana tanjona voafaritra tsara tao an-tsaina. Ao amin’ny Matio 5:14-16 isika dia mamaky ireo toromariny ho azy ireo manao hoe: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” Tsy misy hafa amin’i Jesosy, izy ireo dia tokony ho “fanazavana eo amin’izao tontolo izao”, manaparitaka ny fahazavan’ny fahamarinana eran’ny vazan-tany. (Fil. 2:15). Nanaiky tamim-pifaliana izany andraikitra izany izy ireo, ka nihevitra azy io ho ny zava-kendreny voalohany indrindra teo amin’ny fiainana. Fotoana fohy taorian’izany, dia afaka niteny i Paoly fa ny vaovao tsara dia “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. (Kol. 1:23). Tafaray tamin’ny fanatanterahana izany asa lehibe izany ny kongregasiona kristiana manontolo.

5 Tokony ho velom-pisaorana isika amin’izao fotoana izao noho isika nanjary anisan’ireo izay ‘nanary ny asan’ny maizina’. (Rom. 13:12, 13). Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika isika amin’ny fanahafana ny ohatra navelan’i Jesosy sy ireo Kristiana nahatoky tamin’ny lasa. Maika sy lehibe kokoa ny filan’ny hafa handre ny fahamarinana ankehitriny noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Tsy misy fanaovan-javatra hafa afaka mifampitaha amin’io asa io raha ny amin’ny fahadodonany sy ny soa entiny mahatratra lavitra.

6 Ahoana no ahafahantsika mamirapiratra tahaka ny fanazavana? Ny fomba voalohany indrindra amelana ny fahazavantsika hamirapiratra dia ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Manana fandaharana tsy tapaka sy voalamina ho amin’ny fitoriana eo amin’ny faritany voatendry ho azy ny kongregasiona tsirairay. Misy zavatra vita an-tsoratra be dia be isan-karazany sy amin’ny fiteny maro natao ho azo ampiasaina. Misy fampianarana be dia be omena amin’ny alalan’ireo fivoriana ary fanampiana atolotr’ireo manana fanandraman-javatra mba hampiofanana manokana ny hafa. Misokatra ho an’ny lehilahy, vehivavy, be taona ary na dia ny ankizy aza, ny fahafahana handray anjara. Ny tsirairay ao amin’ny kongregasiona dia asaina handray anjara na manao ahoana na manao ahoana ambaratongam-pahaizany sy ny toe-javatra misy azy. Ny asa rehetra ataon’ny kongregasiona dia ampifantohana amin’ny fitoriana, ka misy fandaharana mba hanampiana ny mpikambana tsirairay handray anjara amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Ny fifaneraserana tsy tapaka sy akaiky amin’ny kongregasiona no fomba tsara indrindra ahazoana antoka fa manohy mamirapiratra ny fahazavantsika.

7 Afaka mamirapiratra amin’ny fomba izay mety tsy hahafaoka fitoriana am-bava isika. Afaka manintona ny sain’ny hafa amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika fotsiny isika. Izany no tao an-tsain’i Petera rehefa nampirisika izy hoe: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra (...) noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo”. (1 Pet. 2:12). Maro no mitsara ny asa na ny fandaminana iray amin’ny alalan’ny fitondran-tenan’ireo mifandray aminy. Rehefa mahamarika olona madio ara-pitondran-tena, manao ny marina, tia fihavanana, ary mpanara-dalàna ireo mpandinika, dia mihevitra ny olona toy ireny ho hafa ary manatsoaka hevitra fa miaina araka ny fari-pitsipika ambony lavitra noho izay arahin’ny ankamaroan’ny olona izy ireo. Koa mampamirapiratra ny fahazavany àry ny lehilahy iray rehefa manome voninahitra sy mankamamy ny vadiny amim-pitiavana; manao toy izany koa ilay vehivavy amin’ny fanajana ny maha-lohany ny vadiny. Miseho ho miavaka ny ankizy rehefa mankato ny ray aman-dreniny sy manalavitra ny faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fampiasana zava-mahadomelina. Ny mpiasa iray malina, manao ny marina, sy maneho fiheverana ny hafa dia ananana fiheverana ambony. Amin’ny fampisehoana ireo toetra kristiana ireo, dia mamela ny fahazavantsika hamirapiratra isika, ka mampiseho ny fomba fiainantsika ho azon’ny hafa ekena.

8 Ny hoe mitory dia miresaka amin’ny hafa momba izay nianarantsika avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia atao avy eny ambony lampihazo, na isam-baravarana, nefa tsy voafetra ho amin’izany toe-javatra izany velively izy io. Mampifandray antsika amin’ny olona am-polony maro ny asa aman-draharahantsika andavanandro. Impiry isan’andro ianao no miresaka amin’ny mpifanila trano aminao? Impiry no misy mandondòna ao am-baravaranao? Olona samy hafa firy no mifampikasoka aminao rehefa miantsena, mitaingina fiara fitaterana, na miasa any am-piasana ianao? Raha tanora mankany an-tsekoly ianao, afaka manisa ny olona tsirairay iresahanao isan’andro ve ianao? Mila tsy ho tapitra ny fahafahana hiresaka amin’ny hafa. Ny hany ilainao atao dia ny mitadidy hevitra araka ny Soratra Masina vitsivitsy, ny mihazona Baiboly iray sy taratasy mivalona sasany ho mora raisina, ary ny manao ny dingana hiteny amim-pahasahiana rehefa misy fahafahana.

9 Na dia faran’izay tsotra aza ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana, ny sasany dia malaina hanandrana azy io. Mety tsy harisika izy ireo, ka hanizingizina fa saro-kenatra na hendratrendratra loatra ka tsy afaka manatona olon-tsy fantatra. Mety hatahotra ny hanintona ny sain’ny hafa amin’ny tenany na hahazo valin-teny henjana izy ireo. Afaka milaza aminao ireo za-draharaha fa mahalana vao misy antony hanahiana. Tsy misy hafa amintsika ny hafa raha ny tena izy; mitovy amin’ny antsika ny zavatra ilainy sy ny fanahiany ary ny zavatra iriny ho an’ny tenany sy ny fianakaviany. Ny ankamaroany dia hamaly amin-katsaram-panahy ny tsiky amim-pifaliana na ny fiarahabana amim-pisakaizana. Mba hanombohana, dia mety tsy maintsy ho “sahy” ianao. (1 Tes. 2:2). Raha vantany vao manomboka anefa ianao, dia mety ho gaga sy ho ravoravo noho ireo vokatra.

10 Tahina isika rehefa mampamirapiratra ny fahazavantsika: Ireto misy ohatra sasany ny amin’ny fanandraman-javatra mamelombelona vokatry ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana: Nanandrana niampita ny arabe ny ramatoa iray 55 taona. Raha saika handona azy iny indrindra ny fiara iray, dia nisambotra ny sandriny ny anabavy iray ary nisintona azy mba ho voaro, ka niteny hoe: “Tandremo, fa miaina amin’ny fotoana feno loza isika!” Nohazavainy, avy eo, ny hoe nahoana ny androntsika no mampidi-doza aoka izany. Nanontany toy izao ilay ramatoa: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Efa nahazo iray tamin’ireo bokintsika tamin’ny rahavaviny izy, naniry hihaona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ary iny fihaonana iny dia nahatonga izany hety.

11 Nanombo-dresaka tamin’ny vehivavy iray tao amin’ny efitrano fiandrasana eo akaikin’ny biraon’ny dokotera ny anabavy iray. Nihaino tamim-pitandremana ilay vehivavy ary avy eo dia niteny hoe: “Nisy fotoana nihaonako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah; nefa raha tena ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho indray andro any, izany dia noho izay vao avy nolazainao tamiko teo. Toy ireny hoe manomboka mahita hazavana ao amin’ny toerana maizina ireny ny mihaino anao”.

12 Afaka ny ho dingana hirosoana ho amin’ny fanampiana ny hafa hianatra ny fahamarinana ny asa iray mampiseho hatsaram-panahy. Raha nandeha nody avy nanao fanompoana teny amin’ny saha ny anabavy roa, dia nahamarika ramatoa be taona izay toa narary teo am-pidinana ny fiara fitaterana. Nijanona izy ireo ary nanontany an’ilay ramatoa raha nila fanampiana izy. Gaga aoka izany izy hoe olona tena vahiny taminy no haneho fiheverana azy, hany ka nanizingizina izy mba hahafantatra hoe inona no nahatonga ny fihetsika feno hatsaram-panahy toy izany. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fanaovana fanambarana izany. Nanome avy hatrany ny adiresiny izy ary nanasa tamin-kafanam-po azy ireo hitsidika azy. Natomboka ny fianarana. Tsy ela ilay ramatoa dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana ary ankehitriny izy dia mizara amin’ny hafa ny fahamarinana.

13 Manararaotra manao fanambarana vao maraina eny amoron-dranomasina eo an-toerana ny anabavy be taona iray. Mifanena amin’ny mpiasa an-trano, mpiambin-jaza, mpiasan’ny banky, ary olon-kafa izay manao ny fitsangantsanganany maraina eny amoron-dranomasina izy amin’izany. Mitarika fampianarana Baiboly izy, mipetraka ambony banc. Olona maromaro no nianatra ny fahamarinana taminy ary tonga Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny

14 Tany am-piasany, ny anabavy iray dia nandre mpiara-miasa iray niresaka momba ny vondrona ara-politika izay ninoany fa ho afaka handamina ny zava-manahirana eto an-tany. Niteny tamim-pahasahiana ilay anabavy, ka nanambara ireo fampanantenana momba izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nitarika ho amin’ny fianarana Baiboly tsy tapaka tany an-trano io dinidinika tany am-piasana io, ary tamin’ny farany, dia tonga Vavolombelona ilay ramatoa sy ny vadiny.

15 Aza hadinoina na oviana na oviana fa vavolombelona ianao! Rehefa nilazalaza an’ireo mpianany ho “fahazavan’izao tontolo izao” i Jesosy, dia nanjohy hevitra fa tokony hanampy ny hafa mba handray soa avy amin’ilay fahazavana ara-panahin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Raha mampihatra ny torohevitr’i Jesosy isika, ahoana no ho fiheverantsika ny fanompoantsika?

16 Rehefa mitady asa ny olona sasany, dia mifidy asa tapa-potoana. Asiany fetra ny fotoana sy ny hery hatokany ho an’izany, satria aleony mampiasa ny ankabeazan’ny fotoanany hikatsahana zavatra izay ahitany valisoa kokoa. Manana fomba fijery mitovy amin’izany ve isika momba ny fanompoantsika? Na dia mety hahatsapa adidy sy ho vonona mihitsy hanokana fotoana sasany ho an’ny fanompoana aza isika, dia tokony ho amin’ny zavatra hafa ve ny fahalianantsika voalohany indrindra?

17 Noho ny fahatsapantsika fa tsy misy izany hoe kristiana tapa-potoana izany, dia nanao ny fanoloran-tenantsika isika ka ‘nandà ny tenantsika’ ary nanaiky hanaraka an’i Jesosy “hatrany”. (Matio 16:24, NW). Ny faniriantsika dia ny hanohy hanompo “amin’ny fanahy manontolo”, ka hanararaotra ny fahafahana rehetra hampamirapiratra ny fahazavantsika mba hahatratrarana olona na aiza na aiza misy azy ireny. (Kol. 3:23, 24, NW). Tsy maintsy mahatohitra ny toe-tsaina araka an’izao tontolo izao isika, sy mihazona ny zotom-pontsika tany am-boalohany, ary manao izay hahazoana antoka fa manohy mamirapiratra sy mazava tsara ny fahazavantsika. Ny sasany dia namela ny zotom-pony hihamangatsiaka sy ny fahazavany ho tonga taratra manjavozavo, zara raha hita akaiky. Ny olona toy izany dia mety hila fanampiana mba hahitana indray ny zotom-po ho an’ny fanompoana izay very.

18 Mety hirona hiahotra ny sasany satria ilay hafatra entintsika tsy be mpitia. Nilaza i Paoly fa ny hafatra momba an’i Kristy dia “fahadalana amin’izay ho very”. (1 Kor. 1:18). Na inona na inona nolazain’ny hafa anefa, dia nanambara tamin-kery toy izao izy: “Tsy menatra ny filazantsara aho”. (Rom. 1:16). Izay menatra dia mahatsiaro ho ambany na tsy mendrika. Ahoana no mety hahatsapantsika henatra rehefa miresaka momba ilay Tompom-piandrianana Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao sy ny fandaharana mahatalanjona nataony hahazoantsika fahasambarana mandrakizay isika? Tsy azo eritreretina ny hoe hahatsiaro ho ambany na tsy mendrika isika rehefa miresaka ireny fahamarinana ireny amin’ny hafa. Tokony ho voatosika kosa isika hanao izay tratran’ny herintsika, ka haneho ny fiekentsika mafy fa “tsy manana na inona na inona tokony hahamenatra” antsika isika. — 2 Tim. 2:15, NW.

19 Ilay fahazavan’ny fahamarinana izay mamirapiratra ankehitriny ao amin’ireo firenena maneran-tany, dia manolotra amin-kafanana ilay fanantenana fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo vaovao zary paradisa. Aoka isika hampiseho fa mandray am-po ny fananarana mba hampamirapiratra ny fahazavantsika hatrany! Raha manao izany isika, dia hanana antony hifaliana tsy misy hafa amin’ireo mpianatra izay, isan’andro, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy”. — Asa. 5:42, izahay no manao sora-mandry.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara