Fanambarana Ny Fahamarinana Isan’andro Ho Fanahafana An’i Jesosy
1 Nanana asa voafaritra tsara notanterahina i Jesosy rehefa tonga teto an-tany. Tsotra tamin’ny fomba niavaka izy io: “Ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Nanambara ny fahamarinana ny amin’ireo toetra sy fikasan’ny Rainy mahatalanjona izy. Io asa io dia toy ny hanina ho azy; nihodinkodina teo amin’izany ny fiainany iray manontolo. (Jaona 4:34). Nanao tatitra i Lioka fa i Jesosy dia tsy nitsahatra ‘nampianatra isan’andro teo amin’ny tempoly’. (Lioka 19:47). Nampiasain’i Jesosy tamin’ny fomba feno ny fotoana izay azo nampiasaina. (Jaona 9:4). Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia afaka nanambara tamin’ny Rainy izy hoe: “Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” — Jaona 17:4.
2 Rehefa safononoky ny fankasitrahana noho izay rehetra nataon’i Jehovah ny fontsika, dia mahatsiaro tena ho voatosika hiresaka ny aminy isan’andro koa isika. Manjary tsy misy hafa amin’ireo mpianatr’i Jesosy izay nanambara tamin-kasahiana toy izao isika: “Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:20). Ny firesahany ny amin’i Jehovah dia tamin’ny fomba nitohy, satria manambara ny firaketana an-tsoratra fa ‘tsy nitsahatra isan’andro izy ireo’. (Asa. 5:42). Tokony hanontany tena isika hoe: ‘Moa ve aho mpanahaka an’i Jesosy, Mpampianatra ahy?’
3 Fitoriana amin’ny fahatsapana fahadodonana: Nilaza mialoha i Jesosy fa rehefa ho voambara tamin’ny tany rehetra ny hafatra momba ilay Fanjakana, “vao ho tonga ny farany”. (Matio 24:14). Izany dia tokony handentika ao amintsika ny maha-zava-dehibe sy ny maha-dodona ny hanaovana ny asantsika. Koa satria ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro ara-bakiteny no tandindomin-doza, dia tsy afaka mahita zavatra hafa lehibe kokoa na andraisan-tsoa kokoa noho izany, tokony hatao, isika. Koa satria itỳ fandehan-javatra itỳ manakaiky ny fiafarany, dia mihafohy ny fotoana tavela hamitana io asa io!
4 Mampiseho ny tatitra fa manafaingana ny fanangonana ireo olona toy ny ondry i Jehovah. (Isaia 60:22). Any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao, ny olona dia mirohotra ara-bakiteny ho amin’ny fahamarinana, ka manambara amim-pifaliana toy izao raha ny marina: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra”! (Zak. 8:23). Marina kokoa amin’izao andro izao noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra tamin’ny lasa ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; (...) mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:38). Moa ve izany tsy mandrisika antsika ho be zotom-po toa an’ireo mpianatr’i Jesosy izay ‘teo amin’ny tempoly hatrany nankalaza an’Andriamanitra’? — Lioka 24:53, NW.
5 Ampahafantaro isan’andro ny fahamarinana: Isan’andro dia tokony hitady fomba hampitana ny fahamarinana amin’ny hafa isika. Azo atao mora foana ny mahita fahafahana hanao izany. Ahoana ny amin’ny fanoratana taratasy any amin’olona izay tsy hita tao an-tranony? Efa nieritreritra ny hanolotra taratasy mivalona amin’ny mpivarotra ve ianao rehefa miantsena? Azo inoana fa afaka mieritreritra ny fahafahana maro hafa anananao isan’andro ianao mba hizarana ny fanantenanao amin’ny hafa. Raha manao ezaka sy mampiseho fahasahiana kely ianao, dia hanampy anao i Jehovah. — 1 Tes. 2:2.
6 Koa rehefa manomboka ny asa fanaontsika isan’andro àry isika, dia tokony hanontany tena hoe: ‘Hanao ny dingana voalohany hizarana ny fanantenako amin’olona ve aho raha misy fahafahana misokatra anio?’ Tahafo ny fihetsik’i Jesosy, izay nanazava ny antony nanirahana azy tetỳ an-tany: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra (...) Aho”. (Lioka 4:43). Raha irintsika ny ho tahaka ny Mpampianatra antsika, dia hanao toy izany koa isika. — Lioka 6:40.