FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/97 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 1/97 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Febroary: Ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika (Mpisava lalana: 200 FMG; mpitory: 500 FMG). Martsa: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Aprily: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina ny bokikely vaovao Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?

◼ Ny mpitory vita batisa rehetra manatrika ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny herinandron’ny 6 Janoary dia homena ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny Kara-panondro ho an’ny zanany.

◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany amin’ny 2 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe “Ampiasao mba Hiderana An’i Jehovah ny Fianarana Azonao”.

◼ Tokony hanao fandaharana mety ireo kongregasiona mba hankalazana ny Fahatsiarovana, amin’itỳ taona itỳ, ny alahady 23 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, ny fampandalovana ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Koa satria tsy hisy fivoriana hafa ankoatra ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, hatao amin’io andro io, dia tokony hisy fanitsiana mifanentana hatao mba hitarihana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fotoana hafa. Ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hila ny hanitsy ny fandaharan’ny fivoriany amin’io herinandro io, araka ny toe-javatra eo an-toerana. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay ny fankalazany ny Fahatsiarovana manokana, dia mety tsy hety foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany araka ny mahazatra, angamba ny kongregasiona iray na mihoatra dia afaka mampiasa toerana hafa amin’io takariva io. Ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka tara loatra, ka hahitan’ireo olona vao liana hoe sarotra ny hanatrika azy. Tsy tokony ho tery loatra koa ny fandaharam-potoana, ka tsy hisy fotoana aloha sy aorian’ilay fankalazana, hiarahabana ireo mpitsidika, hanaovana fandaharana mba hitohizan’ny fanampiana ara-panahy an’ireo olona liana, na hifanakalozana fampaherezana ankapobe. Rehefa avy nandinika tsara ny zavatra rehetra ireo loholona, dia tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana hanampy amin’ny fomba tsara indrindra ny mpanatrika ny Fahatsiarovana handray soa feno indrindra avy amin’io fotoan-dehibe io.

◼ Ny lahateny ampahibemaso manokana amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana 1997 dia hatao ny alahady 6 Aprily. Hisy planina homena. Ireo kongregasiona manana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, fivoriamben’ny fizaran-tany na andro fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io, dia hanao ny lahateny manokana ny herinandro manaraka. Tsy tokony hisy kongregasiona hanao ny lahateny manokana alohan’ny 6 Aprily.

◼ Ny fitambaran-doholona dia tokony hahafantatra fa ilaina ny manao izao fanitsiana manaraka izao, rehefa hanatrika fivoriambe eo an-toerana ny kongregasionany: Rehefa hisy andro fivoriambe manokana, ny kongregasiona dia tokony hanao ny fivoriana mahazatra rehetra mandritra ny herinandro, afa-tsy ny Fivoriana Ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, izay samy hofoanana. Rehefa hisy fivoriamben’ny fizaran-tany, ny kongregasiona dia hanafoana koa ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana; ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ihany no hatao eo an-toerana mandritra io herinandro io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara