Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hatao rehefa misy loza mamely mivantana ireo rahalahintsika?
Raha mamely ny faritra misy anao ny loza iray: Aza misahotaka. Aoka ianao ho tony hatrany, ary mifantoha amin’izay tena sarobidy marina — ny aina, fa tsy izay fananana akory. Karakarao izay zavatra ara-nofo ilain’ny fianakavianao eo no ho eo. Avy eo, dia ilazao ny amin’ny toe-javatra sy ny toerana misy anao ireo loholona.
Manana anjara lehibe dia lehibe eo amin’ny fanomezana fanampiana vonjy rano vaky ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana. Raha misy fampitandremana mialoha ny amin’ny loza, toy ny rivo-doza mahery, ohatra, ireo rahalahy ireo dia tokony hahazo antoka fa ao amin’ny toerana voaro ny rehetra. Raha ampy ny fotoana, dia tokony hiezaka hahazo ary hizara zavatra mety hilaina, koa izy ireo.
Aorian’izany, ireo mpitarika fianarana ny boky dia tokony hitady ny fianakaviana tsirairay ary hanontany ny amin’ny fahasalamany. Tokony hilazana ny amin’ny tarehin-javatra misy ny ankohonana tsirairay ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na ny rahalahy hafa iray, na dia tsy misy maninona aza. Raha misy maratra, dia hiezaka handamina ny fitsaboana azy ireo loholona. Hanome izay zavatra ara-nofo ilaina rehetra, toy ny sakafo, ny fitafiana, ny fialofana, na ny entana ampiasaina ao an-trano, koa izy ireo. (Jaona 13:35; Gal. 6:10). Ireo loholona eo an-toerana dia hanohana ara-panahy sy ara-pihetseham-po ny kongregasiona ary handamina haingana araka izay azo atao ny hanaovana indray ireo fivorian’ny kongregasiona. Rehefa avy notombanana tamin’ny fomba lalina ny tarehin-javatra, dia tokony hifandray amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny loholona iray solontenan’ny fitambaran-doholona. Izany dia mba hampahafantarana azy io ny amin’izay naratra, ny fahavoazana teo amin’ny Efitrano Fanjakana, na ny fahavoazana teo amin’ny tranon’ireo rahalahy, ary koa izay zavatra ilaina manokana. Hiantso an-telefaonina ny biraon’ny sampana avy eo ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany, ka hanao tatitra ny amin’ilay tarehin-javatra. Ny biraon’ny sampana kosa dia hampifandrindra izay fanampiana vonjy rano vaky lehibe ilaina hatao.
Raha mamely any an-toeran-kafa ny loza: Tsarovy ao amin’ny vavaka ataonao ireo rahalahy sy anabavy. (2 Kor. 1:8-11). Raha maniry hanome fanampiana ara-bola ianao, dia mahazo mandefa ny fanomezanao atỳ amin’ny Fikambanana, izay hanokana tahirim-bola vonjy rano vaky. Izao ny adiresy: FI.MPI.BA.MA. B.P. 511, Antananarivo 101. (Asa. 2:44, 45; 1 Kor. 16:1-3; 2 Kor. 9:5-7; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1986, pejy 20-22.) Aza mandefa fitaovana na entana any amin’ilay faritra niharan-doza, raha tsy rehefa angatahin’ireo rahalahy tompon’andraikitra mivantana izany. Izany dia mba hahazoana antoka fa hilamina ilay ezaka vonjy rano vaky ary ho araka ny tokony ho izy ny fizarana ireo vatsy. (1 Kor. 14:40). Iangaviana ianareo tsy hiantso an-telefaonina ny Fikambanana tsy amin’ny antony, satria afaka ny hanakantsakana ireo zotran-telefaonina ilaina mba handraisana ireo antso avy any amin’ilay faritra niharan-doza, izany.
Rehefa avy notombanana araka ny tokony ho izy ny tarehin-javatra, ny Fikambanana dia hamaritra raha tokony hisy komitin’ny vonjy rano vaky hatsangana. Hilazana ny amin’izany ireo rahalahy tompon’andraikitra. Tokony hiara-miasa amin’ireo loholona mitari-dalana ny rehetra, mba ho voakarakara tsara ny zavatra tena ilain’ny rahalahy rehetra. — Jereo Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, pejy 310-315.