FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/97 p. 1
  • Miezaha Hanatratra Ireo Vady Tsy Vavolombelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hanatratra Ireo Vady Tsy Vavolombelona
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Aza atao tsirambina ny vadinao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Rehefa tandindomin-doza ny fiadanan’ny mpivady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 11/97 p. 1

Miezaha Hanatratra Ireo Vady Tsy Vavolombelona

1 Miteraka fifaliana lehibe rehefa tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina ny mpivady. Kanefa, ao amin’ny fianakaviana maro dia iray amin’ireo mpivady ihany no nanaiky ny lalan’ny fahamarinana. Ahoana no ahafahantsika manatratra ireny vady tsy Vavolombelona ireny ary mampirisika azy ireny hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika? — 1 Tim. 2:1-4.

2 Ataovy izay hahatakarana ny fomba fisainan’izy ireo: Na dia mety hanohitra aza ireo vady tsy Vavolombelona sasany, amin’ny ankamaroany, ny zava-manahirana dia ny tsy firaikana na ny tsy fahazoan-kevitra. Mety hahatsapa ho tsy raharahaina na ho saro-piaro noho ny fahalianana ara-panahy vao hitan’ny vadiny ny olona iray. “Nahatsiaro ny tenako ho nafoy aho, rehefa irery tao an-trano”, hoy ny tsaroan’ny lehilahy iray. “Tsapako ho toy ny nandao ahy ny vady aman-janako”, hoy ny iray hafa. Mety hieritreritra ny lehilahy sasany fa lasan’ny fivavahana iray ny fianakavianay. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1990, pejy 20-23.) Izany no antony maha-tsara indrindra, raha mety, ny hanasana ilay lehilahy hiara-mianatra ny Baiboly ao an-tokantrano amin’ny vadiny raha vao eo am-piandohana.

3 Miaraha miasa: Niara-niasa tamin’ny fomba nandaitra mba hanampiana mpivady hanaiky ny fahamarinana ny mpivady Vavolombelona iray. Rehefa avy nahorina fianarana niaraka tamin’ilay ramatoa ilay anabavy, dia nitsidika an’ilay rangahy ilay rahalahy. Matetika izy no afaka nanomboka fianarana tamin’ilay lehilahy.

4 Aoka ianao ho sariaka sy ho tia mandray vahiny: Ireo fianakaviana ao amin’ny kongregasiona dia afaka manampy amin’ny fanehoana fiheverana an’ireo fianakaviana mbola tsy tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Ny fitsidihana vitsivitsy amim-pisakaizana dia mety hanampy ilay vady tsy Vavolombelona hahita fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia Kristiana be fitiavana sy fiahiana izay miahy ny hahasoa indrindra ny rehetra.

5 Indraindray, ireo loholona dia afaka mijery ireo ezaka natao vao haingana mba hiezahana hanatratra ireo vady tsy Vavolombelona, sy hamaritra hoe inona koa no azo atao amin’ny fanantenana ny hahazo azy ireo ho an’i Jehovah. — 1 Pet. 3:1, NW, f.a.p.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara