FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/98 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 1/98 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. Febroary: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mifantoha amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly. Aprily: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!

◼ Homena ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny Karatra Famantarana ho an’ireo zanany, ny mpitory vita batisa rehetra manatrika ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 5 Janoary.

◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany ny 1 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe: “Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao ny Fiainana?”

◼ Tokony hanao fandaharana mety ireo kongregasiona mba hankalazana ny Fahatsiarovana, amin’itỳ taona itỳ, ny asabotsy 11 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia azo atomboka aloha kokoa aza ny lahateny, ny fampandalovana ireo marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay ny fankalazany ny Fahatsiarovana manokana, dia mety tsy hety foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany araka ny mahazatra, angamba ny kongregasiona iray na mihoatra dia afaka mampiasa toerana hafa amin’io takariva io. Ny Fahatsiarovana dia tsy tokony hanomboka tara loatra, ka hahitan’ireo olona liana vao haingana hoe sarotra ny hanatrika azy. Tsy tokony ho tery loatra koa ny fandaharam-potoana, ka tsy hisy fotoana aloha na aorian’ilay fankalazana, hiarahabana ireo mpitsidika, hanaovana fandaharana mba hitohizan’ny fanampiana ara-panahy an’ireo olona liana, na hifanakalozana fampaherezana ankapobe. Rehefa avy nandinika tsara ny lafin-javatra rehetra ireo loholona, dia tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana hanampy amin’ny fomba tsara indrindra ny mpanatrika ny Fahatsiarovana handray soa feno avy amin’io fotoan-dehibe io.

◼ Ny lahateny manokana amin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana 1998 dia hatao ny alahady 29 Martsa. Hisy planina homena. Ireo kongregasiona manana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na fivoriamben’ny fizaran-tany na andro fivoriambe manokana amin’io faran’ny herinandro io, dia hanao ny lahateny manokana ny herinandro manaraka. Tsy tokony hisy kongregasiona hanao ny lahateny manokana alohan’ny 29 Martsa 1998.

◼ Ny fitambaran-doholona dia tokony hahafantatra fa ilaina ny manao izao fanitsiana manaraka izao, rehefa hanatrika fivoriambe eo an-toerana ny kongregasiona: Rehefa hisy andro fivoriambe manokana, ny kongregasiona dia tokony hanao ny fivoriana mahazatra rehetra mandritra ny herinandro, afa-tsy ny Fivoriana Ampahibemaso sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, izay samy hofoanana. Rehefa hisy fivoriamben’ny fizaran-tany, ny kongregasiona dia hanafoana koa ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana; ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ihany no hatao eo an-toerana amin’io herinandro io.

◼ Manomboka amin’ny herinandron’ny 4 May 1998, ka hatramin’ny herinandron’ny 14 Septambra 1998, dia ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? no hodinihina any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara