FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/98 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 9/98 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Oktobra: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kôngregasiôna amin’ny 1 Septambra na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Anaovy fampandrenesana ho an’ny kôngregasiôna, rehefa vita ilay izy.

◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika nomena ao amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.

◼ Ireo izay mifandray amin’ny kôngregasiôna iray dia tokony handefa ny taratasy famandrihana rehetra amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny famandrihan’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny kôngregasiôna.

◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kôngregasiôna ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara