FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/99 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 7/99 p. 3

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Jolay sy Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Ny Bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra dia azo atolotra, rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra. Septambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Oktobra: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!

◼ Manomboka amin’ny Septambra, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hanao ny lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “ ‘Fiarovana Avo’ ho An’ny Olony i Jehovah”.

◼ Ny zavatra vita an-tsoratra rehetra voatanisa eo ambanin’ny hoe Halefanay aoriana kely, ao amin’ny faktioran’ny boky, dia halefa any amin’ireo kôngregasiôna, raha vantany vao tonga eto amin’ny Betela. Mety ho rehefa afaka volana maromaro vao ho tonga eto amin’ny Betela izy ireny, ka tsy ilaina hohafaranareo indray, satria efa hazoninay ny fanafaranareo voalohany. Raha manafatra indray an’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny ianareo, dia midika izany fa mbola mila maro kokoa noho izay nohafaranareo tamin’ny voalohany ianareo. Tokony hitadidy izany hatrany ny rahalahy mikarakara ny boky sy ny mpitan-tsoratra, rehefa mameno ny taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra (S-14) ho an’ny kôngregasiôna.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara