FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp20 No. 1 p. 12-13
  • Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
wp20 No. 1 p. 12-13
Ny tany tazana avy eny amin’ny habakabaka, ary tarafin’ny masoandro

Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpianany: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no ataon’izy io? Ary nahoana isika no tokony hivavaka mba ho tonga izy io?

I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Lioka 1:31-33: “Ataovy hoe Jesosy ny anarany. Hiavaka izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary homen’i Jehovah Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Dia ho Mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.”

Io Fanjakana io no tena noresahin’i Jesosy rehefa nitory izy.

Matio 9:35: “Lasa i Jesosy nitety ny tanàna rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nositraniny koa ny karazan’aretina rehetra.”

Noresahin’i Jesosy hoe inona no hitranga alohan’ny hahatongavan’ilay Fanjakana.

Matio 24:7: “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.”

Mitory momba an’io Fanjakana io maneran-tany izao ny mpianatr’i Jesosy.

Matio 24:14: “Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”

Ny mombamomba ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny toerana misy azy. Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary Andriamanitra no nanorina azy.​—DANIELA 2:44; MATIO 4:17.

Ny zavatra hataony. Hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Hilamina ny fiainana amin’izay, ary hiray saina daholo ny olona. Tsy hisy olona harary na ho faty intsony koa amin’izay.​—SALAMO 37:11, 29.

Ny mpitondra azy. Notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka any an-danitra i Jesosy. Hisy olona 144 000 avy eto an-tany koa hiara-manjaka aminy.​—LIOKA 1:30-33; 12:32; APOKALYPSY 14:1, 3.

Ny vahoaka entiny. Hiaina eto an-tany ny vahoakan’ilay Fanjakana. Hankatò ny lalàn’io Fanjakana io izy ireo, ary hanaiky an’i Jesosy ho mpitondra azy.​—MATIO 7:21.

Nahoana i Jesosy no tena mpanjaka tsara?

Ho mpitondra mahay sy be fitiavana i Jesosy, raha jerena izay nataony tetỳ an-tany:

  • Niahy ny mahantra.​—LIOKA 14:13, 14.

  • Nankahala ny kolikoly sy ny tsy rariny.​—MATIO 21:12, 13.

  • Nahavita nifehy ny herin’ny natiora.​—MARKA 4:39.

  • Nanome sakafo olona an’arivony.​—MATIO 14:19-21.

  • Nangoraka an’ireo narary, ary nanasitrana azy ireo.​—MATIO 8:16.

  • Nanangana ny maty.​—JAONA 11:43, 44.

Mahasoa anao dieny izao ny Fanjakan’Andriamanitra

Ho sambatra ianao dieny izao, raha lasa vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny vahoakan’io Fanjakana io mantsy:

  • ‘Manao izay hihavanany amin’ny olona rehetra.’​—HEBREO 12:14.

  • Manana tokantrano sambatra, satria mifankatia sy mifanaja ny mpivady.​—EFESIANINA 5:22, 23, 33.

  • Sambatra sy afa-po, satria “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”​—MATIO 5:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara