Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Janoary: Ny boky Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, na ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra. Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily: Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Manolora boky Fahalalana na bokikely Takina, ho fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2002, dia ho amin’ny alakamisy 28 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Omena mialoha ity filazana ity mba hahafahan’ireo rahalahy hanao famandrihan-toerana mba hahazoana efitrano azo ampiasaina rehefa kongregasiona maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka misy voatery mitady toerana hafa. Tokony hanao fifanarahana amin’ireo mpitantana ilay toerana ireo loholona, mba hahazoana antoka fa tsy hisy olon-kafa hanao zavatra hafa ao ka hanelingelina. Amin’izay dia hilamina sy hirindra ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Zava-dehibe io fotoana io, koa rehefa manendry mpandahateny amin’ny Fahatsiarovana ny fitambaran-doholona, dia tokony hifantina iray amin’ireo loholona mahay kokoa, fa tsy hifandimby fotsiny, na hampiasa loholona mitovy foana isan-taona.
◼ Ny mpitory vita batisa rehetra tonga ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 8 Janoary dia afaka mahazo ilay karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy Karatra Famantarana ho an’ny zanany.
◼ Manomboka amin’ny Febroary, ary fara fahelany, ny 4 Martsa, ny lahateny ampahibemaso vaovao hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia hoe: “Andro Fitsarana — Fotoana Mampahatahotra sa Mahavelom-panantenana?”
◼ Tokony hanao fandaharana mety ireo kongregasiona mba hankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity, ny alahady 8 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny, ny fampandalovana ireo marika dia tsy tokony hanomboka raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hamarino eo an-toerana hoe amin’ny firy ny filentehan’ny masoandro eo amin’ny misy anareo. Koa satria tsy hisy fivoriana hatao afa-tsy ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’io andro io, dia tokony hisy fanitsiana hatao mba hanaovana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny andro hafa. Hilain’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny manitsy ny fandaharam-pivoriany amin’ilay herinandro, mifanaraka amin’ny toe-javatra eo an-toerana. Na dia irina aza ny hanaovan’ny kongregasiona tsirairay ny fankalazany manokana ny Fahatsiarovana, dia mety tsy hety foana izany. Any amin’izay ampiasan’ny kongregasiona maromaro Efitrano Fanjakana iray ihany, dia afaka mampiasa toerana hafa angamba ny kongregasiona iray na mihoatra amin’io takariva io. Manipy hevitra izahay hoe, raha azo atao, dia tokony hasiana 40 minitra, fara fahakeliny, manelanelana ny fandaharana roa mifandimby, mba hahafahan’ny rehetra handray soa feno avy amin’ilay fotoan-dehibe, ary hamelana fotoana hihaonana amin’ireo vahiny sy hampaherezana ireo liana vao haingana. Tokony hasiana fiheverana koa ny fifamoivoizana sy ny parking, anisan’izany ny fivoahan’ny olona avy ao amin’ny fiara sy ny fidirany ao. Tokony hanapa-kevitra ny amin’izay fandaharana ho tsara indrindra eo an-toerana, ny fitambaran-doholona.
◼ Hatao ny alahady 1 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana taona 2001. Ny foto-kevitr’ilay lahateny dia hoe “Iza no Mety ho Voavonjy?” Hisy planina homena. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandron’ny 9 Aprily, ireo kongregasiona tsidihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na manana fivoriamben’ny fizaran-tany na fivoriambe manokana, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy kongregasiona hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 1 Aprily 2001.
◼ Manomboka amin’ny nomerao tamin’ny 1 Janoary 2001, dia hivoaka isam-bolana amin’ny fiteny kreôla any Seychelles Ny Tilikambo Fiambenana.