Vaovao Teokratika
◼ Notokanana tamin’ny asabotsy 28 Oktobra 2000 ny Efitrano Fanjakana any Ambatolampy, ary 160 no isan’ny rahalahy sy anabavy nanatrika.
◼ Nisy Efitrano Fanjakana vaovao roa notokanana, tamin’ny asabotsy 4 Novambra 2000. Tany Ilaka-Est, Vatomandry, ny voalohany, ary nisy mpanatrika 75. Natao tany Antsirabe ny fandaharam-pitokanana faharoa. Faly nanokana ny Efitrano Fanjakanany ho an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, Zanany, ny kongregasiona Antsirabe Afovoany sy Antsirabe Avaratra. Nisy mpanatrika 190.
◼ Faly ny kongregasiona telo ao Antananarivo, dia Manakambahiny sy Tsimbazaza ary Mandroseza, rehefa notokanana tamin’ny asabotsy 11 Novambra 2000, ny Efitrano Fanjakanany ao Ambanidia. Nisy rahalahy sy anabavy 178 nankafy ilay fandaharana.
◼ Nisy groupe isolé vaovao iray noforonina ao Amboasary Avaratra, akaikin’Anjozorobe, tamin’ny 1 Desambra 2000. Misy kongregasiona 246 sy groupes isolés 31 izao eto amintsika.