FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/01 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 9/01 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana na Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. Oktobra: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Azo atao ny manolotra famandrihana, rehefa liana ilay olona, amin’ny fiverenana mitsidika. Novambra: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Azo atao ny manolotra boky tranainy hafa, raha efa manana an’ireo ilay olona. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

◼ Ampahatsiahivina ireo anti-panahy mba hanaraka ireo toromarika omena ao amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.

◼ Ny biraon’ny sampana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany amin’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara