Tafaray Amim-pifaliana Amin’i Jehovah sy ny Zanany
Hankalazaina Amin’ny 28 Martsa Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra Amin’ity Taona Ity
1 Asehontsika fa tafaray amim-pifaliana amin’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy isika, rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo, amin’ny 28 Martsa 2002, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hifandray manokana amin’ny Ray sy ny Zanany ary ny hafa mpandova ilay Fanjakana, ireo sisa voahosotra, amin’io fisehoan-javatra tena miavaka io. (1 Jaona 1:3; Efes. 1:11, 12) Iray fo sy saina amin’i Jehovah sy ny Zanany eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ireo “ondry hafa” an-tapitrisa, ka hisaintsaina izany tombontsoa manokana izany!—Jaona 10:16.
2 Fiaraha-miasa akaiky: Tafaray amim-pifaliana foana i Jehovah sy Jesosy. Efa nifandray akaiky nandritra ny fotoana ela be izy mianaka, talohan’ny namoronana ny olombelona. (Mika 5:1) Nanjary tena nifankatia àry izy ireo. Niteny toy izao io Zanaka lahimatoa na fahendrena aseho ho toy ny olona io, talohan’ny naha olombelona azy: ‘Nanjary ilay niraiketan’ny fon’i Jehovah manokana isan’andro isan’andro aho, ka falifaly mandrakariva teo anatrehany.’ (Ohab. 8:30, New World Translation) Nisy vokany lalina teo amin’ny Zanak’Andriamanitra ny fifandraisany akaiky tamin’ilay Loharanon’ny fitiavana, nandritra ny taona tsy hita isa!—1 Jaona 4:8.
3 Fantatr’i Jehovah fa mila havotana ny olona, ka ny Zanany lahitokana izay tena tia ny olona no nofidiny hanome ilay sorom-panavotana. Io no hany fanantenantsika. (Ohab. 8:31) Tafaray mba hanatanteraka fikasana iray i Jehovah sy ny Zanany. Mitoetra ho tafaray amin’izy ireo sy amin’ny hafa isika, noho ny fitiavana lalina sy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amim-pifaliana.
4 Fankasitrahana amim-pahatsorana: Hasehontsika fa tena mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah sy ny sorona nataon’ny Zanany ho antsika isika, raha manatrika ny Fahatsiarovana ary mihaino tsara amim-panajana. Hasongadina fa naneho fitiavana i Jesosy ary nahatoky hatramin’ny fahafatesana mba hanomezana ny avotra. Hoantitranterina koa ny fitondrany ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina sy ny fitahiana hoentin’io Fanjakana io ho an’ny olombelona. Hampahatsiahivina antsika koa fa mila mampiseho ny finoantsika foana isika, ka hazoto hanao ny sitrapon’i Jehovah satria “mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana” isika.—3 Jaona 8; Jak. 2:17.
5 Fanampiana ny hafa ho tafaray amintsika: Hiezaka mafy ny anti-panahy rehetra hanasa ireo Vavolombelona tsy mitory intsony ao amin’ny faritany, mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. (Matio 18:12, 13) Ataovy lisitra izay tokony hasaina, mba tsy hisy ho hadino fa ho voasa daholo.
6 Mahafantatra olon-kafa mety hanatrika ny Fahatsiarovana ve ianao? Aoka ianao no hampirisika azy hankasitraka io fisehoan-javatra io. Asao amim-pitiavana izy, ary raiso an-tanan-droa. Aoka isika hanao izay farany azontsika atao mba hanasa ny olona rehetra ampianarintsika Baiboly, olona liana, havana, ary olom-pantatra, mba hanatrika io fisehoan-javatra lehibe indrindra amin’ity taona ity io. Mbola afaka mandray fitahiana avy amin’ny avotra izay rehetra mianatra “ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy.” (Fil. 3:8) Tena afaka manantena ny hiaina mandrakizay ireo mino ny soron’i Kristy.—Jaona 3:16.
7 Aza manamaivana ny mety ho herin’ny Fahatsiarovana eo amin’ny olona tso-po. Nandeha sambo kely nandritra ny 17 ora tao anaty onja be sy oram-baratra ny olona liana 11 tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, roa taona lasa izay, mba hanatrehana azy io. Nahoana? Hoy izy ireo: “Naniry ny hankalaza ny Fahatsiarovana niaraka tamin’ny olon-kafa mpivavaka amin’i Jehovah izahay, ka tsy nanenenanay ilay dia.” Eritrereto ny zotom-pon’ireo olona liana ireo sy ny fankasitrahany, noho izy tafaray tamim-pifaliana tamin’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina!
8 Manolora fampianarana Baiboly amin’ireo olona liana rehetra. Ampirisiho izy ireo hanatrika fivoriana tsy tapaka sy hizara ny fahamarinana ianarany amin’ny olon-kafa. Ampio izy ireo hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ka hanjary ‘handeha eo amin’ny mazava’ sy ‘hanao ny marina.’ (1 Jaona 1:6, 7) Ampio izy ireo hifandray akaiky amin’i Jehovah sy hihevitra ho sarobidy foana ny fiarahana manao ny sitrapony.
9 Tena tombontsoa lehibe ny hoe tafaray amim-pifaliana ‘amin’ny fanahy iray ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara’! (Fil. 1:27, 28) Aoka isika hiandrandra ilay fiarahana mahafinaritra mandritra ny Fahatsiarovana amin’ny 28 Martsa, sady ho velom-pankasitrahana foana an’i Jehovah sy ny Zanany!—Lioka 22:19.