FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/02 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 3/02 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tokony hampahafantarina ny tompon-trano fa afaka manome vola ho an’ny asa maneran-tany izy ireo, raha te hanao izany. Raha liana ilay olona dia manolora bokikely Takina, ka manaova ezaka manokana mba hanomboka fampianarana Baiboly. Jona: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Raha efa manana ireo boky ireo ny tompon-trano dia manolora bokikely misy ao amin’ny tahirin’ny fiangonana.

◼ Tokony hanao fandaharana dieny izao, sy hanome ny fangatahany aloha be, ny mpitory maniry ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Hanampy ny anti-panahy izany handamina ny fanompoana eny amin’ny saha, sy hanafatra gazety sy boky hafa ampy. Tokony holazaina amin’ny fiangonana isam-bolana ny anaran’izay rehetra nekena ho mpisava lalana mpanampy.

◼ Hatao ny alakamisy 28 Martsa 2002 ny Fahatsiarovana. Raha manana fivoriana ny fiangonanareo amin’io alakamisy io, dia tokony hovana ho amin’ny andro hafa amin’ny herinandro izy io, raha tsy misy mampiasa ny Efitrano Fanjakana. Raha tsy mety, dia ampidiro ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana hafa ireo anjara tena ilain’ny fiangonanareo, amin’io fivoriana io.

◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny Fikambanana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Afaka manatona ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara