Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Oktobra: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia manolora bokikely Takina, ka manaova ezaka manokana mba hanombohana fampianarana Baiboly. Novambra: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Azo atao ny manolotra boky tranainy, raha efa manana an’ireo ilay olona. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, na Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Janoary: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina.
◼ “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2003” ny takelaka fanampiny amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity. Tokony hotahirizina mba hampiasaina mandritra ny taona 2003 izy io.
◼ Raha hiova ny ora fivorian’ny fiangonanareo amin’ny 1 Janoary, dia tokony handefa ny taratasy Filazalazana ny Fivorian’ny Fiangonana (S-5) atỳ amin’ny biraon’ny sampana ny mpitan-tsoratra. Azo hafarana amin’ny alalan’io ihany ny taratasy fanasana vaovao, raha ilaina. Tokony hohafarana telo volana, fara fahakeliny, alohan’ny fotoana hilanareo azy, ireo taratasy fanasana.
◼ Tsy mikarakara ny fanafarana boky alefan’ny mpitory isam-batan’olona ny biraon’ny sampana. Tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, alohan’ny handefasan’ny fiangonana ny fanafarany boky isam-bolana atỳ amin’ny sampana. Afaka manatona ilay rahalahy mpikarakara ny boky amin’izay ireo rehetra te hanafatra boky. Tadidio hoe boky inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.
◼ Hatao ny alahady 27 Aprily ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana 2003. Holazaina sy homena tsy ho ela ny foto-kevitr’ilay lahateny sy ny drafitra. Hanao ilay lahateny manokana ny herinandro manaraka an’io, ireo fiangonana tsidihin’ny mpiandraikitra ny faritra na manatrika fivoriambe, amin’io faran’ny herinandro io. Tsy tokony hisy fiangonana hanao ilay lahateny manokana alohan’ny 27 Aprily 2003.
◼ Boky vaovao misy:
Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay? —anglisy, frantsay, malagasy
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana —anglisy, frantsay, malagasy
Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina —anglisy, frantsay, malagasy
Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II —malagasy
◼ Kasety vaovao misy:
Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika (Fampisehoana tantara, kasety iray) —malagasy