Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Apr.
“Aseho eto ilay sakafo antsoina mazàna hoe Sakafo Harivan’ny Tompo. [Asehoy ny fonon’ilay gazety sy ny pejy farany.] Fantatrao ve fa io ihany no fisehoan-javatra asaina ankalazain’ny Kristianina? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Lioka 22:19.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana no zava-dehibe io fankalazana io, no sady mahakasika anao.”
Mifohaza! 8 Apr.
“Tsy mampalahelo ve fa simban’ny zava-mahadomelina ny fiainan’ny tanora maro? [Avelao izy hamaly.] Matetika ny fiarahan’ny tanora amin’ny naman-dratsy no mahatonga izany. [Vakio 1 Korintiana 15:33.] Ity Mifohaza! ity dia miresaka momba ny antony mahatonga ny tanora hampiasa zava-mahadomelina, sy izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana azy ireo.”