Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jona: Boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na bokikely Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Raha tsy mahay mamaky teny tsara ilay olona, dia atolory ny bokikely Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao sy Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Azo atolotra koa ny boky Fahalalana. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra na Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.
◼ Faly isika mampahafantatra ny olona fa efa tafiditra ao amin’ny adiresy ofisialin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet (www.watchtower.org) ny bokikely Takina amin’ny teny malagasy. Matoky izahay fa ho fitoriana ho an’izay Malagasy rehetra te hahafantatra bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet izy io.