Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hametraka ny boky Mivavaha rehefa mitsidika ny olona liana ianao. Mety ho anisan’izany ireo nanatrika Fahatsiarovana sy fivoriana na fivoriambe, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fandaminana. Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly, indrindra fa amin’ireo olona efa nianatra ny boky Fahalalana sy ny bokikely Takina. Jona: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Bokikely Takina no atolotra ho an’ireo tsy manan-janaka. Ataovy izay hanombohana fampianarana Baiboly, rehefa mampiasa ilay bokikely. Jolay sy Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay tendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana amin’ny 1 Jona, na haingana araka izay azo atao aorian’io. Rehefa vita ilay izy, dia asio fampandrenesana ho an’ny fiangonana, rehefa avy novakina ilay tatitra momba ny kaonty manaraka.
◼ Amin’ity taona ity, dia alefanay amin’ny volana Jolay ireo taratasy samihafa ilain’ny fiangonana, ka efa misy eto amin’ny sampana. Hampiarahinay amin’ny fanafaranareo izany. Raha fiangonana mihoatra ny iray no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia hizara avy hatrany ny taratasin’izy ireo avy ny mpandrindra ny boky. Ho hita eo amin’ny taratasy misy ny lisitr’ireo boky nalefanay, ny toromarika momba ny fizarana azy ireo.
◼ Hikatona ny Betela amin’ny 8 Mey 2004, noho ny fanadiovana fanao isan-taona. Tsy hisy fitsidihana, na fakana boky sy gazety amin’io andro io.