FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/05 p. 1
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Lanjalanjao ny Fialam-boly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Ny Fomba Akana ny Fotoana Azo Hararaotina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Ataonao Loha Laharana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 9/05 p. 1

Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao

1 Te hampifaly an’i Jehovah isika, ka ny fanompoana azy no ifantohantsika eo amin’ny fiainana. Mampirisika antsika ny Teniny mba hanao loha laharana ny ‘fikatsahana ny fanjakany’, sy ‘hamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Matio 6:33; Fil. 1:10) Ahoana no azontsika hanararaotana tsara ny fotoana mba hanaovan-javatra mifandray amin’ilay Fanjakana, fa tsy ho lany fotoana amin-javatra tsy dia misy dikany loatra?—Efes. 5:15-17.

2 Ataovy loha laharana ny asan’ilay Fanjakana: Alamino tsara ny fotoananao, mba tsy ho lany amin-javatra tsy dia misy dikany. Raha vao manomboka ny volana, dia marihin’ny mpitory sasany eo amin’ny kalandrie ny fotoana hatokany hanaovana fanompoana eny amin’ny saha. Ary tsy avelany hisy zavatra hafa hanembantsembana an’iny. Azo marihina mialoha koa ny fotoana hatokana ho an’ny fivoriana sy ny fianarana samirery, ary ny fivoriambe. Maro no manao fandaharana mba hamakiana Baiboly, isa-maraina na alohan’ny hatoriana. Manokàna fotoana ho an’ireo zava-dehibe tsirairay tsy maintsy atao, ary aza avela hanembantsembana izany ny zavatra hafa.—Mpit. 3:1; 1 Kor. 14:40.

3 Aza revo tanteraka amin’izao tontolo izao: Betsaka ny karazana fanatanjahan-tena sy fialam-boly ary fanarian-dia azo atao, any amin’ny firenena sasany. Maro no mandany fotoana be loatra amin’ny tele na ordinatera. Tsy maintsy ho diso fanantenana anefa isika, raha variana loatra amin’ny fialam-boly sy ny fitaovana vaovao atolotr’ity tontolo ity. (1 Jaona 2:15-17) Mampirisika antsika àry ny Soratra Masina mba tsy ho revo tanteraka amin’izao tontolo izao. (1 Kor. 7:31) Raha mankatò izany torohevitra feno fahendrena izany ianao, dia hanaporofo amin’i Jehovah fa ny fanompoana azy no loha laharana eo amin’ny fiainanao.—Matio 6:19-21.

4 Efa madiva hifarana ity tontolo ity. Ho sambatra sy hankasitrahan’Andriamanitra ny olona manao an’ilay Fanjakana ho loha laharana. (Ohab. 8:32-35; Jak. 1:25) Enga anie àry isika hampiasa amim-pahendrena an’io fananantsika sarobidy io, dia ny fotoana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara