FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/07 p. 3
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 1/07 p. 3

Fampandrenesana

◼ Janoary: Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! Raha tsy mandray an’io ilay olona, dia manolora bokikely Miambena Hatrany! Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Manolora boky Fahalalana raha mbola manana tahiry amin’izy io ny fiangonana. Azo atolotra koa ireo boky hafa miangona be ao amin’ny tahirim-boky. Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa manao fiverenana mitsidika ianao, dia tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana na fivoriana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hanolotra ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io amin’izy ireo.

◼ “Iza no Mendrika Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovao?” Io no lahateny hataon’ny mpiandraikitra ny faritra, manomboka amin’ny Febroary, na amin’ny 4 Martsa, fara fahelany.

◼ Misy karazan-tsoratra roa ireo boky aman-gazetintsika mivoaka amin’ny teny sinoa. Ny olona avy any Hong-Kong sy Taïwan amin’ny ankapobeny dia mamaky ny karazan-tsoratra nentim-paharazana. “Sinoa” (CH) no iantsoantsika an’io karazan-tsoratra io. Mamaky ny karazan-tsoratra notsorina kosa mazàna ny ankamaroan’ny Sinoa. “Sinoa notsorina” (CHS) no iantsoantsika an’io karazan-tsoratra io. Mety hiteny kantôney na mandarin na fitenim-paritra hafa ilay olona, kanefa tsy miankina amin’izany ny karazan-tsoratra hainy vakina. Tena ilaina àry ny mamantatra izay karazan-tsoratra tian’ilay olona. Azo ampiasaina ny bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra, pejy 26-27 mba hampisafidianana azy, ka izay tiany amin’ireo no hafaran’ilay mpitory.

◼ Tokony hanao fandaharana mety tsara ny fiangonana, mba hankalazana ny Fahatsiarovana ny alatsinainy 2 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Na dia mety hanomboka aloha kokoa aza ny lahateny, dia tsy tokony hampandalovina ny mofo sy divay, raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro. Tsara raha samy manao ny fankalazany ny Fahatsiarovana ny fiangonana tsirairay. Mety tsy ho azo atao foana anefa izany. Raha fiangonana maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia tokony hitady toerana hafa ny fiangonana tsy afaka mampiasa ny efitrano, amin’io takariva io. Tsara raha mielanelana 40 minitra, fara fahakeliny, ny fotoam-pivoriana roa. Amin’izay dia samy ho afaka hifampiresaka tsara ny rehetra, aorian’ny Fahatsiarovana. Hanapa-kevitra ny amin’izay ho fandaharana mety indrindra eo an-toerana ireo anti-panahy.

◼ Tokony hanana ny taratasy fanendrena mpisava lalana (S-202) momba ny mpisava lalana maharitra tsirairay eo anivon’ny fiangonana, ny mpitan-tsoratra. Tokony hanoratra atỳ amin’ny biraon’ny sampana izy, raha tsy manana izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara