Fampandrenesana
◼ Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Manolora boky Fahalalana raha mbola manana tahiry amin’io ny fiangonana. Azo atolotra koa ireo boky hafa miangona be ao amin’ny tahirim-boky. Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Rehefa manao fiverenana mitsidika ianao, dia tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana na fivoriana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fiangonana. Miezaha hanolotra ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly amin’io boky io.
◼ Tokony hojeren’ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana indray ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra. Raha misy amin’izy ireo sahirana manatratra ny ora takina, dia tokony hanampy azy ny anti-panahy. Jereo indray ilay taratasy S-201, alefan’ny sampana isan-taona, raha mila fanoloran-kevitra ianareo.
◼ Izao no foto-kevitry ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana: “Afaka ny Tsy Hanana Ahiahy Ianao na dia Mikorontana aza ity Tontolo Ity!” Jereo ilay fampandrenesana mifandray amin’io lahateny io, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2006.