FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/07 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 12/07 p. 7

Fampandrenesana

◼ Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa ny iray amin’ireto: Manatòna An’i Jehovah na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Raha tsy mandray an’io ilay olona, dia manolora bokikely Lalana. Febroary: Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Azo atolotra koa izay boky miangona be ao amin’ny tahirin’ny fiangonana. Martsa: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.

◼ Tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana nandritra ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra ny rahalahy iray tendren’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Tsy tokony ho olona iray foana no hotendreny hanao izany. Rehefa vita ilay izy, dia ampandreneso ny fiangonana, aorian’ny famakiana ny tatitra momba ny kaonty fanao isam-bolana.—Jereo ny Toromarika Momba ny Fanaovana ny Kaontin’ny Fiangonana (S-27).

◼ Amin’ny alakamisy 9 Aprily aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2009. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha fiangonana maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana. Tokony hifanaraka amin’ny mpikarakara an’ilay toerana ireo anti-panahy, mba ho azo antoka fa tsy hisy zavatra hafa hanabataba na hanelingelina.

◼ Boky azo hafarana:

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2002 anglisy, malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2003 anglisy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2004 malagasy

Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2005 malagasy

Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1991-2000 malagasy

Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2001 malagasy

◼ Kapila mangilatra azo hafarana:

Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe malagasy

◼ Kasety video azo hafarana:

Ohatra Fampitandremana ho An’ny Androntsika malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara