Porofon’ny Finoana Matanjaka!
1. Inona ireo zavatra mampahory nolazain’i Jesosy fa hitranga?
1 Nihaino tsara an’i Jesosy ireo apostoly, tamin’izy niresaka momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Nitanisa zavatra mampahory hitranga amin’ny olombelona izy, anisan’izany ny ady, mosary, horohoron-tany, ary areti-mandringana. Nilaza izy, avy eo, fa ho halan’ny olona ny mpanara-dia azy, hisy hanolotra ho amin’ny fahoriana, ary hisy hamono ho faty. Hisy mpaminany sandoka koa hamitaka olona maro, ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.
2. Nahoana no tena mahavariana ny hoe torina eran-tany ny vaovao tsara?
2 Nilaza i Jesosy, avy eo, fa hotorina manerana ny tany onenana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Azo inoana fa nahagaga an’ireo apostoly izany. (Matio 24:3-14) Hitantsika ankehitriny fa tanteraka tokoa io faminaniana mahafaly io. Mazoto mitory ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia miaina ao anatin’ny fotoana mampidi-doza aza. Vao mainka mitombo ny fitiavantsika, na dia mihena aza ny fitiavan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Efa ho “ny firenena rehetra” no itoriantsika, na dia mankahala antsika aza izy ireo.
3. Inona no fitomboana hitanao fa mampahery ao amin’ny tatitra maneran-tany?
3 Mampahery tokoa ny manao jery todika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana lasa! Hita eo amin’ny pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-6 izany. Arivo tapitrisa mahery foana ny ora lany tamin’ny fitoriana sy fampianarana, nandritra ny 16 taona nisesy. Porofon’ny finoana matanjaka tokoa izany! Nitombo 5,8 isan-jato ny isan’ny mpisava lalana, 3,1 isan-jato ny mpitory, ary 4,4 isan-jato ny fampianarana Baiboly. Nitombo 20,1 isan-jato ny isan’ny natao batisa, raha oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa. Tena mahafaly ny mahita fa efa ho fito tapitrisa izao ny olona manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy hatramin’izay! Inona no tena mampahery anao ao amin’ilay tatitra?
4. Inona no fahazaran-dratsy noresen’ny lehilahy iray, mba handrosoany ho amin’ny batisa?
4 Mampitolagaga ny isa ao amin’ilay tatitra. Tadidio anefa fa olona nampiseho finoana ireo. Iray amin’ireny i Guillermo, izay lehibe tany Bolivia. Teraka tamin’ny 1935 izy, ary niasa tao amin’ny toeram-pambolena kôkà (zavamaniry hahazoana ny kôkainina), nanomboka tamin’izy sivy taona. Nitsako ravina kôkà izy, hatramin’ny mbola kely, mba tsy hahatsiarovany ny havizanany vokatry ny asa mafy. Niboboka toaka sy nifoka sigara izy, tatỳ aoriana. Tsy nanao izany intsony i Guillermo, rehefa nanomboka nianatra momba izay takin’i Jehovah. Ny fialana tamin’ny fitsakoana ravina kôkà no tena sarotra taminy, satria efa fahazarany hatramin’ny ela izany. Tsy nitsahatra nivavaka izy, ka afaka tamin’ny farany. Natao batisa izy, rehefa resiny ireo fahazaran-dratsiny. Hoy izy: “Tsapako fa madio aho izao, ka tena sambatra.”
5. Inona no fanirianao?
5 Tena miahy ny olona i Jehovah. Iriny ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra. (2 Pet. 3:9) Izany koa no faniriantsika. Enga anie ny fontsika handrisika antsika hanao izay rehetra azo atao, mba hanampiana ny olona tso-po hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy, toa antsika.