Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Feb.
“Hanao ahoana ny fiainam-pianakaviana raha mampihatra an’ity torohevitra ity ny mpianakavy tsirairay? [Vakio Efesianina 4:31, ary avelao izy hamaly.] Misy soso-kevitra ara-baiboly afaka manampy handamina fifandirana sy hanana tokantrano sambatra, ato amin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 18.
Mifohaza! Feb.
“Misy mihevitra fa mitadidy ny fahotana rehetra ataontsika Andriamanitra. Ny hafa indray mino hoe mamela ny fahotantsika izy, na dia tena lehibe aza izany. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.] Resahin’ity lahatsoratra ity ny dingana telo lazain’ny Baiboly mba hahazoana ny famindram-pon’Andriamanitra.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mar.
“Ahoana no hevitrao momba ity andinin-teny malaza ity? [Vakio Jaona 3:16.] Efa noeritreretinao ve hoe nahoana ny fahafatesan’ny lehilahy iray no afaka mitondra fiainana mandrakizay ho an’ny olona? [Avelao izy hamaly.] Misy fanazavana tsara sy mahafa-po ato amin’ity gazety ity, mahakasika ny fomba handraisantsika soa avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy.”
Mifohaza! Mar.
“Tsara daholo ve ny fivavahana rehetra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay lazain’ny Baiboly momba ny fivavahan’ny olona sasany. [Vakio Marka 7:7.] Ahoana no hahalalana raha mampianatra ny fahamarinana fa tsy ny ‘didin’olombelona’ ny fivavahana iray? Tena misy ve ny fahamarinana? Mamaly izany ity gazety ity.”