FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/12 p. 7
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 12/12 p. 7

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Desambra 2012. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.

1. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Joela 2:1-10, 28 momba ny fanafihan’ny bibikely? [5 Nov., w07 1/10 p. 13, feh. 1]

2. Tanteraka amin’iza ny Amosa 8:11, ary inona ny fanontaniana tokony hosaintsainintsika? [12 Nov., jd p. 60-61, feh. 9]

3. Inona no mety ho anisan’ny nahatonga ny Edomita hirehareha, ary inona no tsy tokony hohadinointsika mihitsy? (Obad. 3, 4) [19 Nov., w07 1/11 p. 14, feh. 1]

4. Ahoana no ilazana fa nanenenan’i Jehovah ny loza nolazainy hamelezana ny mponin’i Ninive? (Jona 3:8, 10) [19 Nov., w07 1/11 p. 15, feh. 1]

5. Nahoana no hifandray akaiky kokoa amin’Andriamanitra isika, raha mandeha amin’ny anarany? (Mika 4:5) [26 Nov., jd p. 87-88, feh. 12]

6. Manome toky antsika ny amin’ny inona ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Nahoma 2:6-10? [3 Des., w07 15/11 p. 9, feh. 2; w88 15/5 p. 28, feh. 7]

7. Inona no tian’ny Hagay 1:6 holazaina, ary inona ny fianarana tokony horaisintsika? [10 Des., w06 15/4 p. 22, feh. 12-15]

8. Ahoana no azontsika ampiharana an’ilay torohevitra ao amin’ny Zakaria 7:10 hoe: “Aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo hamelezana ny namanareo”? [17 Des., jd p. 113, feh. 6; w07 1/12 p. 11, feh. 3]

9. Nahoana no mampahery an’ireo mpanompon’i Jehovah ankehitriny ny Zakaria 4:6, 7? [17 Des., w07 1/12 p. 11, feh. 1]

10. Rehefa jerena ny Malakia 3:16, nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy? [31 Des., w07 15/12 p. 29, feh. 3]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara