Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Natao tamin’ny volana Febroary 2013 ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana ho an’ny anti-panahy. Anti-panahy 1 678 manerana ny Nosy no nanatrika an’io sekoly io, izay natao tamin’ny fiteny telo. Nahazo tampon’isa vaovao koa isika tamin’ny Janoary: Mpitory 27 236, mpisava lalana maharitra 4 127, ary 190 888 no bokikely voapetraka.