Miezaha Foana ho Mpitory Mahay
1. Inona avy ny ohatra mampiseho fa tokony hiezaka foana ho mpitory mahay isika?
1 Tokony hiezaka ho mpitory mahay ny Kristianina. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampiofana ny mpianany mba hahay hitory. (Lioka 9:1-5; 10:1-11) Izany koa no nahatonga an’i Akoila sy Prisila hitondra an’i Apolosy hiaraka aminy sy ‘hanazava aminy marina kokoa ny lalan’Andriamanitra.’ (Asa. 18:24-26) Efa mpitory za-draharaha koa i Timoty, nefa mbola nampirisihin’i Paoly ihany izy hiezaka mafy hanatsara ny fahaizany mampianatra. “Hiseho amin’ny rehetra” amin’izay ny fandrosoany. (1 Tim. 4:13-15) Na efa ela isika no nitory ny vaovao tsara na vao haingana, dia ilaintsika foana ny manatsara ny fahaizantsika.
2. Inona avy no azonao atao raha te hahazo traikefa amin’ny hafa ianao?
2 Makà traikefa amin’ny hafa: Hihamahay kokoa isika raha maka traikefa amin’ny hafa. (Ohab. 27:17) Mifantoha tsara àry rehefa mitory ny namanao. Mangataha torohevitra amin’ny mpitory mahay, ary henoy tsara izay lazainy. (Ohab. 1:5) Tsy hainao tsara ve ny manao fiverenana mitsidika, na ny manomboka fampianarana Baiboly, na ny mandray anjara amin’ny endri-panompoana sasany? Asaivo mampiofana anao ny mpiandraikitra ny andia-mpitorinareo na ny mpitory mahay iray. Tadidio koa fa afaka manampy antsika ny fanahy masina. Angataho foana àry izy io rehefa mivavaka ianao.—Lioka 11:13.
3. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mahazo torohevitra?
3 Aza tezitra raha misy manome torohevitra anao, na dia tsy nangataka an’ilay izy akory aza ianao. (Mpito. 7:9) Miezaha hanetry tena sy hahay hankasitraka toa an’i Apolosy, ka ekeo ilay izy. Hendry ianao raha manao an’izany.—Ohab. 12:15.
4. Nahoana isika no tokony hiezaka foana ho mpitory mahay?
4 Mahazo voninahitra i Jehovah: Nampiasa fanoharana i Jesosy mba hampirisihana ny mpianany hanatsara ny fahaizany. Nampitaha ny tenany tamin’ny voaloboka izy, ary nohariny tamin’ny sampany ny mpianany voahosotra. Nilaza izy fa rantsanan’ny Rainy hadio izay sampany mamoa “mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2) Tian’ny olona mamboly voaloboka raha mahazo vokatra bebe kokoa izy. Toy izany koa fa tian’i Jehovah hanatsara foana ny fahaizantsika isika rehefa manome ny “vokatry ny molotra.” (Heb. 13:15) Inona no ho vokany rehefa miezaka foana ho mpitory mahay isika? Hoy i Jesosy: ‘Raha mamoa be hatrany ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.’—Jaona 15:8.