Hatsarao ny Fanompoanao: Ampio ny Mpianatrao mba Hazoto Hikaroka sy Handalina
Nahoana izany no tena ilaina? Tsy tokony hianina amin’ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ny mpianatra, raha te handroso sy hihamatotra ara-panahy. Tsy maintsy mameno ny sainy sy ny fony amin’ny zavatra lalina kokoa izy ireo. (Heb. 5:12–6:1) Mila ezaka anefa izany. Mila mampifandray an’ilay fanazavana vaovao amin’izay efa hainy mantsy izy rehefa mianatra, ary mamantatra hoe nahoana no mahasoa ilay izy. (Ohab. 2:1-6) Hahavita hamaly fanontaniana amin’ny alalan’ny boky sy gazetintsika ny mpianatra, raha mahay manao fikarohana. Raha miezaka mampihatra ny zavatra ianarany izy, dia ho vonona hiatrika ny fitsapana mahazo ny Kristianina.—Lioka 6:47, 48.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Rehefa vita ny lohatenikely na toko iray, dia asaivo fintinin’ilay mpianatra amin’ny fehezanteny vitsivitsy ilay fianarana. Raha tsy manana mpianatra ianao, dia mianara mamintina an’izay novakinao tao amin’ny Baiboly, na ny fehintsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Hanampy anao hahatakatra ny zavatra ianaranao izany.