HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 1-10
Mila Manome Voninahitra An’i Jesosy Isika Raha Te Hihavana Amin’i Jehovah
Efa voalazan’ny faminaniana fa hisy hanohitra i Jehovah sy Jesosy
Milaza ny faminaniana fa tsy hanaiky ny fahefan’i Jesosy ny mpitondra fanjakana eto amin’ity tontolo ity. Manizingizina izy ireo fa ry zareo ihany no tokony hitondra
Efa tanteraka io faminaniana io tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Amin’izao fotoana izao anefa ilay izy vao tena tanteraka amin’ny fomba feno
Resahin’ny mpanao salamo fa mingonongonona milaza zava-poana ireo firenena. Midika izany fa zava-poana ny tetika ataony satria tsy maintsy ho resy izy ireo
Izay manome voninahitra an’ilay Mpanjaka voahosotr’i Jehovah ihany no ho velona
Horinganina izay tsy manaiky ny fahefan’ny Mesia Mpanjaka
Ho voavonjy kosa izay manome voninahitra an’ilay Zanak’Andriamanitra