HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 11-18
Iza no Hivahiny ao An-tranolain’i Jehovah?
Naman’i Jehovah ny olona iray matoa mivahiny ao amin’ny tranolainy. Matoky sy mankatò an’Andriamanitra koa izy. Resahin’ny Salamo 15 hoe inona avy ny toetra tian’i Jehovah hananan’ny namany.
NY NAMAN’I JEHOVAH DIA TSY MAINTSY...
tsy mivadika
milaza ny marina ao am-pony
manaja ny mpanompon’i Jehovah hafa
mitana ny teniny, na dia sarotra aza izany
manampy an’izay sahirana nefa tsy mitady valiny
NY NAMAN’I JEHOVAH DIA TSY TOKONY...
hifosa sy hanendrikendrika
hanao ratsy amin’ny mpiray tanàna aminy
hanararaotra an’ireo mpiara-manompo
hinamana amin’ny olona tsy mankatò na tsy manompo an’i Jehovah
handray tsolotra