HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 52-59
“Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao”
Be dia be ny zavatra nahakivy efa niainan’i Davida. Ireto avy no efa niaretany, tamin’izy nanoratra ny Salamo 55:
Nisy naneso sy nanambany
Nenjehin’ny fahavalo
Nenjehin’ny eritreritra
Olana tao amin’ny fianakaviana
Narary mafy
Nisy namadika
Vitan’i Davida foana anefa ny niaritra, na faran’izay mafy aza ny nanjo azy. Izao koa no toroheviny ho an’izay miaritra ny mafy: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao.”
Ahoana no hampiharantsika an’izany?
Mivavaha amin’i Jehovah ka lazao azy daholo izay olana mahazo anao na izay mampiady saina anao
Mitadiava fanampiana sy torohevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah sy ao amin’ny zavatra avoakan’ny fandaminana
Ataovy izay azonao atao mba hamahana an’ilay olana, nefa araho foana ny toro lalan’ny Baiboly