HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MPITORITENY 1-6
Mifalia Noho ny Asa Mafy Nisasaranao
Tian’i Jehovah ho faly isika rehefa miasa. Atorony antsika àry hoe inona no tokony hatao. Mila manana toe-tsaina tsara ny olona iray, raha te hifaly amin’ny asany.
Hifaly amin’ny asanao ianao raha...
miezaka ho tia miasa
mieritreritra hoe mahasoa ny hafa ny asanao
manao tsara ny asanao ary tsy mieritreritra momba izany intsony rehefa avy miasa, fa mifantoka amin’ny fianakaviana sy ny zavatra ara-panahy