HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 47-51
Hotahina Izay Mankatò An’i Jehovah
Be fitiavana i Jehovah ka atorony antsika ny ‘lalana tokony halehantsika’, amin’izay isika afaka mankafy fiainana. Mandray soa isika rehefa mankatò azy
‘Toy ny renirano ny fiadanana’
Mampanantena i Jehovah hoe tena hiadana isika, ary hikoriana foana toy ny renirano ny fiadanantsika
‘Toy ny onjan-dranomasina ny fahamarinana’
Hanao ny marina foana isika ary tsy ho tapitra toy ny onjan-dranomasina izany