FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Aprily p. 6
  • Manampy Antsika ho Be Herim-po ny Hiran’ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy Antsika ho Be Herim-po ny Hiran’ilay Fanjakana
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Hira Vaovao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Vonona Hihira ho An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Aprily p. 6

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Manampy Antsika ho Be Herim-po ny Hiran’ilay Fanjakana

Rahalahy Erich Frost mitendry piano

Nihira fiderana ho an’i Jehovah i Paoly sy Silasy tao am-ponja. (As 16:25) Nanao hiran’ilay Fanjakana koa ireo Vavolombelona nalefa sesitany tany Siberia, sy ireo nigadra tany amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen tany Alemaina Nazia. Manampy antsika ho be herim-po tokoa ny hira rehefa iharam-pitsapana isika.

Tsy ho ela dia hisy amin’ny fiteny maro kokoa ilay fihirana vaovao hoe Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah. Raha vao mahazo azy io isika, dia azontsika ianarana mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana ny hira ao mba ho tadidintsika ny tonony. (Ef 5:19) Hampahatsiahy antsika an’ireo tononkira ny fanahy masina rehefa iharam-pitsapana isika. Mahatonga antsika hifantoka amin’ny fanantenantsika ny hiran’ilay Fanjakana. Manampy antsika ho be herim-po izy ireny rehefa miatrika fitsapana isika. Afaka manao ‘hiram-pifaliana’ koa isika rehefa falifaly. (1Ta 15:16; Sl 33:1-3) Enga anie isika ka hazoto hanao ny hiran’ilay Fanjakana!

JEREO ILAY VIDEO HOE HIRA IRAY NANOHINA NY FON’IREO GADRA, ARY VALIO IRETO:

  • Inona no nahatonga ny Rahalahy Frost hamorona hira iray?

  • Nahoana no nampahery an’ireo rahalahy tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia ilay izy?

  • Afaka mampahery anao amin’ny olana atrehinao isan’andro ve ny hiran’ilay Fanjakana? Hazavao.

  • Inona avy ny hiran’ilay Fanjakana tianao ho hay tsianjery?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara