27 Novambra–3 Desambra
NAHOMA 1–HABAKOKA 3
Hira 129 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Miambena Foana, ary Mazotoa Manompo”: (10 min.)
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Bokin’i Nahoma.]
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Bokin’i Habakoka.]
Ha 2:1-4: Tsy maintsy ‘miandry’ ny andron’i Jehovah isika, raha te ho tafavoaka velona rehefa hampihatra ny didim-pitsarany izy (w07 15/11 10 § 3-5)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Na 1:8; 2:6: Ahoana no naharava an’i Ninive? (w07 15/11 9 § 2)
Ha 3:17-19: Mety hiatrika zava-tsarotra isika alohan’ny Hara-magedona sy mandritra izany. Inona anefa no toky ananantsika? (w07 15/11 10 § 10)
Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
Inona koa ny harena miafina hitanao?
Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Ha 2:15–3:6
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fitoriana: (2 min. na latsaka) hf: Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Fiverenana Mitsidika: (4 min. na latsaka) hf: Miverina mitsidika olona efa nomena an’ilay bokikely tamin’ny fitoriana.
Lahateny: (6 min. na latsaka) w16.03 23-25: Foto-kevitra: Inona no Azonao Atao mba Hanampiana ny Fiangonanao?
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Miambena Foana ary Mazotoa Manompo, na Miova aza ny Toe-javatra Misy Anao”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana na Mifindra Toerana Aza.
Fianarana Baiboly: (30 min.) kr toko 22 § 1-7
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro: (3 min.) Ilazao ny fiangonana fa ny Mifohaza! no atolotra amin’ny Desambra. Izao no lohateniny: “Tsy Voafehy Intsony ve Izao Tontolo Izao?” Amin’ny herinandro ny video fanolorana azy io vao hiaraha-midinika. Efa ho hitanao ao amin’ny JW Library anefa ilay izy, manomboka ny 30 Novambra. Tokony hiezaka ny mpitory mba hizara an’io gazety io amin’ny olona faran’izay betsaka.
Hira 142 sy Vavaka