HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 4-5
Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra?
Mahatsapa ve ianao hoe mila an’Andriamanitra?
Midika ara-bakiteny hoe “mpangataka fanahy” ny hoe “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Hita hoe maniry mafy hifandray amin’Andriamanitra isika rehefa . . .
mamaky Baiboly isan’andro
manomana fivoriana sy mivory tsy tapaka
mamaky an’ireo boky sy gazetintsika, ary mamaky ny lahatsoratra ao amin’ny jw.org rehefa afaka manao an’izany
mijery ny fandaharana isam-bolana ao amin’ny Tele JW
Inona no azoko atao mba hanatsarana ny fahazarako misakafo ara-panahy?