FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb18 Febroary p. 7
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahaiza-mampiasa Fanontaniana
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ataovy Tsara ny Andraikitrao Amin’ny Maha Mpitory Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
mwb18 Febroary p. 7

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Mahaiza Mametraka Fanontaniana

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona.” (Oh 20:5) Toy ny siny anovozana azy io kosa ny fanontaniana voahevitra tsara. Mahatonga ny mpihaino antsika hiresaka izy ireny. Mety hanampy antsika hahalala zavatra sasany koa ny valin-teniny. Nahay nametraka fanontaniana i Jesosy. Ahoana no azontsika anahafana azy?

Jesosy manontany ny mpianany iray

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Fantaro ny heviny. Nametraka fanontaniana maromaro i Jesosy mba hahalalana ny hevitry ny mpianany. (Mt 16:13-16; be 238 § 3-5) Inona no fanontaniana azonao apetraka mba hahalalanao ny hevitry ny olona?

  • Ampio izy hahay hanatsoaka hevitra. Te hanitsy an’i Petera i Jesosy. Nametraka fanontaniana maromaro àry izy sady nanome valiny azo isafidianana, mba hahatonga azy hahay hanatsoaka hevitra. (Mt 17:24-26) Inona, ohatra, no fanontaniana hanampy an’ilay olona hahay hanatsoaka hevitra?

  • Derao izy. Noderain’i Jesosy ny mpanora-dalàna iray rehefa ‘namaly azy tamim-pahendrena.’ (Mr 12:34) Ahoana no azonao iderana ny olona namaly ny fanontanianao?

Hajao ny hafa. Tsy manana fahefana hoatran’ny an’i Jesosy isika, ka tsy maintsy manaja ny hafa, indrindra fa ireo be taona, ireo olona tsy fantatsika, ary ireo manana fahefana.—1Pe 2:17.

JEREO NY FIZARANA VOALOHANY AMIN’ILAY VIDEO HOE ATAOVY NY ASA NATAON’I JESOSY: MAMPIANATRA, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no tsy nety ny fomba fampianatr’ilay rahalahy, na dia marina tsara aza ny fanazavany?

  • Nahoana isika no tsy tokony hanazava hevitra fotsiny?

JEREO NY FIZARANA FAHAROA AMIN’ILAY VIDEO, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no ahitana hoe nahay nametraka fanontaniana ilay rahalahy?

  • Inona koa ireo lafiny hafa azontsika anahafana azy?

Lehilahy sanganehana satria tsy mety ny fomba fampianarana azy; lehilahy mahazo tsara ny fahamarinana rehefa mety ny fomba fampianarana azy

Inona no vokatry ny fampianarantsika eo amin’ny hafa? (Lk 24:32)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara