FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb18 Novambra p. 7
  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Misaotra An’i Jehovah Izahay Noho ny Fitiavanareo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Sarobidy Ireo “Vola Madinika Roa”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
mwb18 Novambra p. 7

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”

Olona mandrotsaka fanomezana ao anaty boaty; olona manome fanomezana amin’ny alalan’ny Internet

Ahoana no azontsika anaovana “fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah”? (1Ta 29:5, 9, 14) Andeha isika hijery ny sasany amin’izany. Ho afaka hanohana ny asa ataon’ny fandaminana isika amin’izay, na eo an-toerana izany na maneran-tany.

FANOMEZANA ATAO AMIN’NY ALALAN’NY INTERNET NA AROTSAKA AO AMIN’NY BOATY, MBA HANOHANANA NY:

  • Fanomezana ho an’ny asa maneran-tany

    ASA MANERAN-TANY

    Fanorenana biraon’ny sampana sy biraon’ny fandikan-teny mitokana ary fampandehanana ny asa atao ao

    Sekoly ara-baiboly

    Mpanompo manontolo andro manokana

    Fanampiana tra-boina

    Fanaovana pirinty, famokarana video, famokarana lahatsoratra elektronika

  • Fanomezana ho an’ny fiangonana

    FIANGONANA

    Fandanian’ny fiangonana, toy ny jiro sy rano ary ny fikojakojana Efitrano Fanjakana

    Fanomezana neken’ny fiangonana mba hanohanana ny:

    • Fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe maneran-tany

    • Fandaharam-panampiana Eran-tany

    • Asa hafa atao maneran-tany

FIVORIAMBE

Anohanana ny asa maneran-tany ny fanomezana ataontsika mandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany avy eo no akana, rehefa mandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra, fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana, ary fivoriambe iraisam-pirenena.

Ny fanomezana mandritra ny fivoriamben’ny faritra kosa no andoavana ny fandaniana amin’ilay fivoriambe, toy ny hofan-trano. Raha misy ambiny ny volan’ny faritra, dia azo atao ny manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany.

donate.jw.org

AO AMIN’NY INTERNET

Afaka misafidy amin’ireto ianao, raha te hanao fanomezana:

  • Miditra ao amin’ilay hoe donate.jw.org

  • Mifidy an’ilay hoe “Fanomezana” ao amin’ny “Momba Anay”, ao amin’ny jw.org

  • Mifidy an’ilay rohy hoe “Fanomezana” erỳ ambany amin’ny pejy fandraisana, ao amin’ny programa JW Library

Manana lahatsoratra mamaly ny “Fanontaniana Fametraky ny Olona” momba ny fanaovana fanomezana ny tany sasany.

Misy fanazavana tsara ao amin’ilay video hoe Ahoana no Hatao Raha Hanao Fanomezana ao Amin’ny Internet?

FANOMEZANA HAFA

Mila miomana mialoha na mikarakara taratasy ara-dalàna ianao, vao afaka manao fanomezana sasany. Ohatra:

  • Didim-pananana sy fanankinam-pananana

  • Trano sy tany, kaonty any amin’ny banky, ary fiantohana

  • Fanomezana vola misy fepetra

Afaka manontany ny biraon’ny sampana ao amin’ny tany misy anao ianao raha te hanao fanomezana toy izany. Misy ny adiresin’ny sampana tsirairay ao amin’ny donate.jw.org.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara