FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Mey p. 3
  • Vonona ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona ve Ianao?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha ho Vonona Foana Mandritra ny Tapany Farany Amin’ny “Andro Farany”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Vonona Hiatrika Loza ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Efa Vonona ve Ianao Raha Misy Korontana any Aminareo?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Ampio ny Hafa Hiaritra Rehefa ao Anatin’ny Sarotra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Mey p. 3
Fianakaviana manomana kitapo misy ny zavatra tena ilaina rehefa misy loza.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Vonona ve Ianao?

Vonona ve ianao raha misy loza araka ny natiora any amin’ny faritra misy anareo? Mety hitranga tampoka sady handravarava ny horohoron-tany, rivo-doza, ary tondra-drano. Mety hitranga na aiza na aiza sy amin’ny fotoana tsy ampoizina koa ny asa fampihorohoroana, korontana, ary areti-mifindra. (Mpto 9:11) Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy hisy an’izany mihitsy any amintsika.

Mila manao an’izay azontsika atao isika mba hiomanana amin’ny loza. (Oh 22:3) Marina hoe manampy ny fandaminana rehefa mitranga ny loza. Tokony hiomana foana anefa isika. Andraikitsika tsirairay izany.—Ga 6:5.

ALEFASO ILAY VIDEO HOE VONONA VE IANAO RAHA MISY LOZA ARAKA NY NATIORA MITRANGA?, ARY VALIO IRETO:

  • Rahalahy iray miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah dieny mbola tsy mitranga ny loza. Mamaky Baiboly izy.

    Nahoana no tena ilaina ny mifandray akaiky amin’i Jehovah dieny mbola tsy mitranga ny loza?

  • Kitapo misy ny zavatra tena ilaina, nomeraon-telefaonina, ary telefaonina.

    Nahoana no zava-dehibe ny...

    • • mifampiresaka foana amin’ny anti-panahy alohan’ny hitrangan’ny loza, mandritra an’ilay izy, ary aorian’ilay loza?

    • • manomana kitapo misy ny zavatra tena ilaina?—g17.5 6

    • • mandinika hoe inona avy ny loza mety hitranga, ary inona no azo atao amin’ny toe-javatra tsirairay?

  • Sary: Fomba hanampiana an’ireo tra-boina. 1. Rahalahy iray mivavaka. 2. Mpiasa an-tsitrapo manampy amin’ny vonjy rano vaky. 3. Rahalahy iray manao fanomezana ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

    Inona ny fomba telo azontsika anampiana an’ireo tra-boina?

AFAKA MANAO ASA AN-TSITRAPO VE IANAO?

Be dia be izao ny loza araka ny natiora, ka mihabetsaka ny fanampiana ilaina. Raha te hanao asa an-tsitrapo ianao, dia miresaha haingana amin’ny anti-panahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara