13-19 OKTOBRA
MPITORITENY 7-8
Hira 39 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)
1. “Aleo Mankany Amin’ny Trano Misy Fisaonana”
(10 min.)
Manokàna fotoana hampaherezana an’izay nidonam-pahoriana (Mpto 7:2; it “Fisaonana” § 9)
Resaho ny toetra tsaran’ilay olona nodimandry mba hampaherezana an’ilay nidonam-pahoriana (Mpto 7:1; w19.06 23 § 15)
Miaraha mivavaka aminy (w17.07 15 § 16)
TADIDIO IZAO: Mbola mila fampaherezana avy amin’ny rahalahy sy anabavy matetika ny olona nidonam-pahoriana, na dia efa elaela aorianan’ny nahafatesan’ilay olona akaikin’ny fony aza. —w17.07 16 § 17-19.
2. Vatosoa Ara-panahy
(10 min.)
Mpto 7:20-22—Raha nisy olona nahasosotra anao, dia nahoana ireo andininy ireo no manampy anao hanapa-kevitra hoe hanatona an’ilay olona sa tsia? (w23.03 31 § 18)
Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?
3. Famakiana Baiboly
(4 min.) Mpto 8:1-13 (th lesona 10)
4. Miresadresaha Aloha
(2 min.) AMPAHIBEMASO. Fantaro hoe inona ny foto-kevitra mety hahaliana an’ilay olona, dia mifanaova fotoana mba hifampiresahana indray. (lmd lesona 2, hevitra 4)
5. Miresadresaha Aloha
(2 min.) TSY ARA-POTOANA. (lmd lesona 2, hevitra 3)
6. Rehefa Miverina Mitsidika
(2 min.) ISAN-TRANO. Resaho amin’ilay olona ny tranonkalantsika jw.org. (lmd lesona 9, hevitra 4)
7. Hazavao ny Zavatra Inoanao
(5 min.) Fampisehoana. ijwfq lahatsoratra 50—Foto-kevitra: Ahoana no Ataon’ny Vavolombelona Rehefa Mikarakara Fandevenana? (th lesona 17)
Hira 151
8. Ataovy Izay Hahatonga Anao Hino Foana hoe Hatsangana ny Maty
(15 min.) Fiaraha-midinika.
Mampanantena i Jehovah hoe hatsangana ny maty. Anisan’ny fanomezana tsara be omeny antsika izany. Ianarantsika avy amin’izany hoe mahery i Jehovah, manam-pahendrena, mamindra fo, ary ny tena lehibe indrindra hoe tia antsika tsirairay izy.—Jn 3:16.
Raha tena mino isika hoe mbola hatsangana ny maty, dia hahavita tsy hifantoka be loatra amin’ny olana mahazo antsika isika fa amin’ny zavatra ampanantenain’i Jehovah amin’ny hoavy. (2Ko 4:16-18) Hilamin-tsaina sy ho tony koa isika raha enjehina noho ny finoantsika, na marary, na hoe maty ny olona akaikin’ny fontsika. (1Te 4:13) Tsy tena ho sambatra isika raha tsy mino hoe hatsangana ny maty. (1Ko 15:19) Maninona àry raha atao izay hahatonga anao hino kokoa an’izany fampanantenana tsara be izany?
Vakio ny Jaona 11:21-24. Iaraho midinika ireto avy eo:
Ahoana no nampisehoan’i Marta hoe tena nino ny fitsanganana amin’ny maty izy?
Inona ny fitahiana azony rehefa nanam-pinoana izy?—Jn 11:38-44
Alefaso ilay VIDEO hoe Tahafo Ireo Vehivavy Manam-pinoana—Marta. Iaraho midinika ireto avy eo:
Nahoana no tena tsy andrinao ilay hoe hatsangana ny maty?
Inona no azonao atao mba hahatonga anao hino kokoa hoe tena hatsangana ny maty?
9. Fianarana Baiboly
(30 min.) lfb lesona 26-27