Manontany ny Tanora Hoe. . .
Amin’ny fomba ahoana no ahafahako miatrika ny Fanavakavaham-bolon-koditra?
Kilaometatra vitsivitsy monja avy eo an-tranony no nisy ilay trano fitahirizana ny rakitry ny ela, ary satria tsy ampy afa-tsy ho an’ny vidim-pidirana ny volan’izy roa lahy 11 taona, dia nifidy ny handeha an-tongotra izy ireo.
Mba hahatongavana tany, dia tsy maintsy niampita lalam-be iray, izay toy ny fefy nampisaraka ny mainty sy ny fotsy hoditra tao amin’ilay tanàna, izy. Sahy niampita izany fisarahana izany izy ary tsy nisy olana, ka dia nanomboka niaina sy nifaly noho ny masoandron-dohataona. Toa nipoitra tampoka teo anefa ny antokona tanora fotsy hoditra maro be. Nanofahofa tsorakazo ary nihiaka ompa momba ny firazanana ilay vahoaka nitabataba ka nanomboka nanenjika azy sy niantsoantso hoe: “Tratraro ireo! Tratraro ireo!”
FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA. Ny vaovao dia mampiseho fa zava-manahirana maneran-tany izy io. Ny fanavakavahana ny amin’ny trano onenana sy ny asa ary ny fitsaboana àry dia nanjary fitarainana mahazatra.
Na ho ela na ho haingana, àry, ianao dia mety hifanatrika amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra. Ny tanora sasany, ohatra, dia iharan’ny fiangarana any an-tsekoly — voatery miaritra ompa momba ny firazanana tsy mety tapitra, hamavoin’ireo mpampianatra. “Maneso ahy ao an-dakilasy ny mpampianatra ahy”, hoy ny tanora jiosy iray. “Miresaka momba ireo fanavakavahana sy finoana taloha izy. Tsy raharahainy velively koa aho ao an-dakilasy.” Hoy ny zatovovavy iray atao hoe Pamela: “Toy ny areti-mifindra ny fanavakavahana any am-pianaranay satria isaky ny misy fiarahan’ny mpianatra mivory, ny mainty hoditra dia miara-mipetraka amin’ny ilany iray, ary ny fotsy hoditra amin’ny ilany iray hafa amin’ilay efitra fivoriana.”
I Trena, 15 taona, zanaky ny ray aman-dreny samy hafa volon-koditra, dia mahatsapa matetika fa tafiditra ao anatin’ny tena faharatsian’ny fanavakavahana izy. Hoy izy: “Raha miaraka amin’ny mainty hoditra aho, ireo mpianatra fotsy hoditra dia mihevitra fa tsy tia ny miaraka aminy aho. Raha miaraka amin’ireo mpianatra fotsy hoditra anefa aho, ireo mainty hoditra dia mihevitra fa mihevi-tena ho tsara kokoa noho izy ireo aho.”
Ny tsapan’ireo iharan’ny fanavakavahana
Ianao koa angamba efa nosongonin’ny hafa teo amin’ny asa iray, tsy navela hiditra tao amin’ny sekoly iray tianao hidirana, nentina tsy tamim-pahalalam-pomba tany amin’ny fivarotana na hôtely fisakafoana iray, na nenjehin’ireo tanora tahaka anao. Raha izany no izy, dia fantatrao fa maharary ny fanavakavahana. Hoy i Lucy, 17 taona: “Mahatezitra ahy mihitsy ny fanavakavahana.” Noho izy avy amin’ny ray aman-dreny espaniola, dia fantany tsara fa mahakivy tokoa ny fanavakavahana. “Na dia mianatra tsara sy mahazo isa tsara aza aho any an-tsekoly, dia tsy mahazo fankasitrahana mihitsy. Raha ny olona fotsy hoditra iray no manao zavatra mety, dia derain’ny mpampianatra izy. Na miasa mafy toy inona aza ianao, raha tsy fotsy hoditra, dia mbola tsy ampy ihany izany.”
Ny tanora hafa dia manaiky ny fanavakavahana amin’ny fandeferana mangina. Hoy ny zatovovavy mainty hoditra iray: “Ao amin’ny sekoly misy ahy, dia fotsy hoditra ny ankamaroan’ny mpianatra, ary mifandray tsara amin’ireo ankizy ao aho. Marina fa manompa ahy izy ireo, nefa tsy raharahaiko satria efa zatra amin’izany aho izao.”
Kanefa ny sasany dia mamela ireo fanamarihana mandratra sy fihetsika manamavo ataon’ny hafa hampanary azy ny fanajany ny tenany. Hoy ny tovolahy iray: “Samy hafa firazanana ny raiko sy ny reniko. Rehefa nihalehibe aho, ny andaniny roa dia samy nanambany ahy. Vokatr’izany, dia nijaly mafy noho ny ratra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po aho. Tsaroako fa nisy fotoana naha-menatra ahy noho ny volon-koditro.”
Ny fomba fiatrehana ny fanavakavahana
Mora takatra àry raha mety handrehitra fahavinirana sy faniriana ny hamaly faty, ny hamaly ratsy ny ratsy, ny hikomy, ny fanavakavaham-bolon-koditra! “Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”, hoy ny Mpitoriteny 7:7. Kanefa na dia mety hanintona ny sain’ny olona ho amin’ny tsy rariny aza ny fihetsiketsehana mahery vaika mampiseho fikomiana — ary amin’ny toe-javatra sasany aza dia mitondra fanamaivanana izany — ny tantara dia mampiseho fa ny vokatr’ireny fihetsiketsehana ireny, ny tsara indrindra aminy, dia tsy maharitra. Ankoatra izany, “ny fankahalana dia manetsika ady.” (Ohabolana 10:12) Ny famaliana ny fankahalana amin’ny fankahalana àry dia tsy maintsy manaratsy ny tarehin-javatra efa ratsy!
Hoy ny Baiboly: “Ny meloka tsy mety tonga mahitsy.” (Mpitoriteny 1:15) Ny fanapahan’olombelona dia simba tsy azo arenina intsony. (Jeremia 10:23) Ny fanavaozana tanteraka indrindra ataon’ny fitondram-panjakana iray dia tsy afaka hikosoka ny antony fototry ny fanavakavahana, dia ny fitiavan-tena, ny faniriana mihoa-pampana ary ny faniriana fanandratan-tena. (Ampitahao amin’ny Jakoba 3:13-16; 4:1-3.) Ary araka ny Ohabolana iray: “Na dia [totoinao] (...) aza ny adala, dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.” (Ohabolana 27:22) Tsy manova zavatra firy ny fitsanganana hanohitra ny fandaharan-javatra efa miorina.
Ahoana àry no tokony ho fihetsiky ny tanora rehefa manatrika fanavakavahana izy? Ireto misy tolo-kevitra sasantsasany:
Aza misafoaka be loatra. Efa tohina noho ny fanandraman-javatra tamin’ny lasa ianao ka mety ho tonga dia hamaly izay rehetra misy endrika fiangarana. Mampitandrina toy izao anefa ny Baiboly: “Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.” (Mpitoriteny 7:9) Aza tonga dia tsaraina àry ny hafa. Angamba tsy raharaha momba ny volon-koditra no tafiditra amin’ilay zava-mitranga.
Fantaro ny fanavakavahana amin’ny maha-izy azy. Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” Iezaho eritreretina fa novolena tao amin’ny olona sasany hatramin’ny fahazazany ny toe-tsaina tery sady tsy milefitra. (Jereo ny lahatsoratra hoe “Comment vaincre les préjugés raciaux?” nivoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 novambra 1988.) Mety hanampy koa ny firesahana momba izany amin’ny olon-dehibe iray mahay mahataka-javatra, ny ray aman-dreninao angamba.
Tsarovy koa fa “izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” ary i Satana dia ‘manajamba ny sain’ny tsy mino’ mba hampisaratsarahana ny taranak’olombelona. (1 Jaona 5:19; 2 Korintiana 4:4) Ny fahatsapanao fa voageja ny sain’ny olona dia mety hahatonga anao hangoraka mihitsy aza ireo izay manao zavatra noho ny tsy fahalalana tsotra izao.
“Aza mamaly ratsy.” Raha iharan’ny ompa ara-pirazanana ianao na ny “fihomehezana” momba ny firazanana manorisory dia mety hampipoitra fihetseham-po mahery ao anatinao izany. Izao no tsaroan’i Tara, 16 taona: “Tao amin’ny sekoly izay fotsy hoditra ny ankamaroany no nianarako. Nifampibitsibitsika — kanefa avo ihany mba ho reko — izao karazana ompa ara-pirazanana rehetra izao ireo ankizy.” Mety ho voan’ny fakam-panahy hamaly ny tena amin’izay. Kanefa tsarovy: Ireo izay mamely amin’ny teny mandratra matetika dia mitady ny hampahatezitra sy hampamaly faty anao, ka mahita antony hamelezana anao ara-batana na hanohizana ny fanompany anao. Mety mihitsy ny ilazan’ny Ohabolana 14:17 toy izao: “Izay malaky tezitra dia manao adaladala.”
Miezaha mba hihazona saina tony hatrany àry. Tadidio ao an-tsaina ireo tenin’ny mpanolo-tsaina hendry fahizay iray manao hoe: “Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina.” (Mpitoriteny 7:21) “Raha tena nihaino azy ireo aho”, hoy ny tsaroan’i Tara, “dia ho nahalasa adala ahy izany. Nefa tsy navelako hahavoa ahy izany.” Koa vonoy àry ny faniriana “hamaly ratsy.” (Romana 12:17) “Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa hianao”, hoy ny fananaran’ny Baiboly. (Ohabolana 26:4) Ny ‘fanolorana ny takolaka ilany’ amin’ny tsy firaharahana ilay fanaovan-dratsy, dia tsy hakanosana akory, fa ny zavatra mampiseho fahendrena indrindra amin’ny farany. (Matio 5:39) Mety ho sasatra noho ny lalaon-jaza ataony ireo mpampahory anao any aoriana. Ary “raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo.” — Ohabolana 26:20.
Fantaro ny fotoana tokony hilazanao ny hevitrao. Tsy ny tsy rariny rehetra akory no tsy maintsy iaretana mangina. “Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Ary mety ho fahendrena ny hanaovanao dingana mba hiarovanao tena. Araka izany no nampahafantaran’i Tara ny ray aman-dreniny ny amin’ny fanaovan-dratsy nihatra taminy. Tatỳ aoriana dia afaka nifindra sekoly izy. Amin’ny tarehin-javatra iray hafa dia mety hanorisory anao tsy an-kijanona ny olona iray amin’ny fanandramany manao fihomehezana ara-pirazanana tsy misy fahaiza-mandanjalanja. Angamba tsy tena takatr’io olona io marina ny maha-tena ratsy ilay teny ataony. Ny firesahana izany amim-pahalemem-panahy sy fahatoniana amin’ilay mpanao ratsy fotsiny dia mety ho ampy mba hanitsiana azy.
Aza ariana ny fanajanao ny tenanao. Raha mihevitra anao ho ambany ny hafa, dia aza hadinoina na oviana na oviana fa Andriamanitra dia efa ‘nanisa ny volon-dohanao’ ary heveriny fa sarobidy eo imasony ianao. (Matio 10:30) Ataovy miorina, tsy amin’ny fomba fiheveran’ireo tanora tsy matahotra an’Andriamanitra, fa amin’ny fananana fifandraisana mafy orina amin’Andriamanitra, ny fanajanao ny tenanao. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 1:31.) Ireo toetranao ara-pirazanana, izay mety hanesoan’ireo tanora hafa tahaka anao, dia porofo mampiharihary ny fahefana goavana hamorona ananan’ilay Andriamanitra izay “nanao ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany.” — Asan’ny apostoly 17:26.
Marina tokoa fa Jehovah Andriamanitra irery no afaka hitondra fitambaran’olona “tsy mahay manavaka loko” iray, ary hataony tsy ho ela izany amin’ny alalan’ny fitondram-panjakany any an-danitra. (Daniela 2:44) Mandra-pahatongavan’izany, dia ampiharo ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny fomba tsara faran’izay azonao atao ary miezaha miatrika ilay tarehin-javatra. Ankamamio ny fifaneraserana any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay hahafahanao hiaraka amin’ny olona izay miezaka mafy mba hanaisotra amin’ny tenany ny fiangarana ara-pirazanana. Aza miahotrahotra ny miangavy mafy ny Rainao any an-danitra mba hanampy anao rehefa mihamafy ny tarehin-javatra. Hoy ilay ankizivavy atao hoe Lucy: “Mila ny mivavaka aho, ary mivavaka mafy mba hahafahako miatrika ny fanavakavahana. Nefa rehefa tsy maintsy miaritra izany aho, dia manonona vavaka, ary fantatro fa miaraka amiko i Jehovah.”
[Sary, pejy 14]
Ny tanora sasany dia mihevitra fa tsy raharahaina izy ireo any an-tsekoly noho ny fanavakavaham-bolon-koditra.