FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/1 p. 12-14
  • Asa inona no hofidiko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asa inona no hofidiko?
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Tsy mahasoa izany rehetra izany’
  • Asa iray manome fifaliana
  • Misy tombony kokoa ve ny fianarana any amin’ny oniversite
  • Zavatra hafa tokony hoheverina
  • Misy zavatra hafa ankoatra ny oniversite
  • Asa Inona no Tokony Hofidiko Hatao eo Amin’ny Fiainako?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ny fianarana: ny fandaniana aminy sy izay entiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ahoana ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fianarana?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/1 p. 12-14

Manontany ny Tanora Hoe. . .

Asa inona no hofidiko?

‘HATAOKO ahoana ny fiainako?’ Na ho ela na ho haingana dia hisetra izany zava-tsarotra izany ianao. Hivelatra eo anatrehanao ny fifidianana asa: fitsaboana, varotra, hairaha, fampianarana, “informatique”, haitao, asa tanana. Moa ve ianao mitovy hevitra amin’ity zatovo iray, izay nanambara toy izao: “Ny fahombiazana, araka ny hevitro, (...) dia ny fitoerana hatrany ao amin’ny fari-piainana mampiadana nanabeazana ny tena.” Sa kosa ianao manonofy ny hanatsara ny toe-bolanao?

Voafetra ho amin’ny fahazoan-javatra ara-nofo ihany ve ny fahombiazana? Moa ve ny asa iray na inona na inona mety hanome anao fahatsapana fa tena nahomby tokoa ianao?

‘Tsy mahasoa izany rehetra izany’

Malaza, faniry, mampanan-karena! Izany matetika no fomba ampisehoan’ny sarimihetsika sy ny fahitalavitra ary ny boky ny asa tsy ara-pivavahana sasany. Ireo izay manandrana manao zavatra iray ho anton’asa anefa dia tsy maintsy miady tsy tapaka amim-pikirizana mba hanatrarana ny zava-kendreny. Ampahafantarin’ny dokotera Douglas LaBier ny fomba nahatsapan’ny ankamaroan’ireo zatovo izay “nahazo asa haingana tao amin’ny haitao ambony, tsy fahafahampo, fanahiana, fahabangana ka tafalatsaka ao amin’ny fahaketrahana sy “paranoïa” (karazana aretin-tsaina), na tratran’ny aretina ara-batana isan-karazany”.

Fahiny i Solomona mpanjaka dia nanoritra ny maha-tsinontsinona ny fahombiazana araka an’izao tontolo izao fotsiny. Nanana harena nila tsy ho lany lanina i Solomona ary nahomby tamin’ny asa nahaliana maro. (Vakio Mpitoriteny 2:4-10.) Izao anefa no famaranan-kevitra nataony: “Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka indreo, zava-poana [“tsy mahasoa koa izany rehetra izany”, Français courant] sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.” — Mpitoriteny 2:11.

Marina fa mety hitondra harena sy voninahitra ny asa iray, nefa tsy afaka manome fahafahampo ny “filana zavatra ara-panahy” izany. (Matio 5:3, MN). Mandositra an’ireo izay tsy manorina ny fiainany afa-tsy amin’ny fahombiazana ara-tsosialy àry ny fifaliana.

Asa iray manome fifaliana

Manoro hevitra toy izao i Solomona mpanjaka: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” (Mpitoriteny 12:13). Ny zavatra tokony hataon’ny kristiana voalohany amin’izao andro izao, dia ny mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana (Matio 24:14). Ireo tanora izay manisy hajany an’izany baiko izany, dia mahatsiaro ho voatosika handray anjara amin’ny fomba feno araka izay azo atao amin’io asa io, na dia tsy manana fironana voajanahary hitory aza izy. (Jereo 2 Korintiana 5:14.) An’arivony maro amin’izy ireo no tsy manao asa tsy ara-pivavahana manontolo andro, fa nifidy ny hanompo amin’ny maha-mpitory maharitra na mpitory ny filazantsara manontolo andro kosa. Ny hafa indray manompo any amin’ny tany hafa amin’ny maha-misionera na any amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower.

Nanao izao fanamarihana izao i Emilie izay niala tamin’ny asan’ny mpitantsoratry ny fitantanan-draharaha mba hahatongavana ho mpitory maharitra: “Namboly fitiavana lalina an’io asa io aho.” Eny, ny fanompoana manontolo andro no asa tena faniry indrindra, izay manome fifaliana marina tokoa. Inona tokoa moa no mbola lehibe kokoa noho ny hoe anankiray amin’ireo “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” ny tena? — 1 Korintiana 3:9.

Misy tombony kokoa ve ny fianarana any amin’ny oniversite

Mamelon-tena ny ankamaroan’ireo minisitra mpitory maharitra noho ny fanaovana asa tapak’andro. Inona anefa no hatao rehefa miahy ankohonana ny tena any aoriana? Tsy hisy hanenina mihitsy noho ny nanokanany ireo taom-pahatanorany tamin’ny asan’Andriamanitra. Nefa tsy hety ve raha mahazo ny diplaoman’ny oniversite ny tanora iray ary manao fanompoana amin’izay avy eo?

Miharihary fa tsy mamaritra ny isan’ny taona tokony holanin’ny zatovo kristiana iray any an-tsekoly ny Baiboly. Tsy manameloka ny fianarana koa izy. Mampirisika ireo mpanompony hamaky teny tsara sy hiteny mazava i Jehovah ilay “Mpampianatra lehibe” (Isaia 30:20, MN; Salamo 1:2; Hebreo 5:12). Ambonin’izany, ny fianarana dia mety hanampy antsika hahatakatra kokoa ny fomba fihevitr’ireo mpiara-belona amintsika sy izao tontolo izao iainantsika.

Nefa moa ve ny diplaoman’ny oniversite mendrika foana ny fotoana sy ny vola izay takiny?a Raha asehon’ny antontan’isa (statistique) fa mandray karama bebe kokoa ireo nahazo diplaoman’ny oniversite ary tsy dia mba tratry ny tsy fananana asa loatra tahaka ireo nahazo diplaoman’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia ampahatsiahivin’ny boky Comment orienter vos études universitaires (anglisy) antsika fa salanisa fotsiny izany antontan’isa izany. Raha ny marina, dia vitsy monja amin’ireo mahazo diplaoman’ny oniversite no mandray karama tena ambony; ny sisa kosa dia mandray kely lavitra. Ankoatr’izany, ny karama ambony omena ireo nahazo diplaoma ireo dia mety ho avy amin’ny “fahaizana ambony noho ny an’ny rehetra, avy amin’ny anton-javatra manosika ny tsirairay, ny fanolorana asa ataon’ny faritany, (...) ny talenta manokana”, fa tsy noho ny fari-pahaizana fotsiny.

Araka ny voalazan’ny ministeran’ny Asa any Amerika, “ny diplaoma [azo tany amin’ny oniversite] dia tsy antoky ny fahombiazana intsony raha ny amin’ny fahitana asa. Mihena ny isan’[ireo nahazo diplaoman’ny oniversite] manao asa tena ara-tsaina (toy ny mpitsabo sy mpisolovava) na mitana ny toeran’ny mpitantan-draharaha na teknisiana (...), satria tsy ampy fitomboana ireo asa ireo mba handraisana ireo nahazo diplaoma mirohotra misesy. Araka izany, dia tokotokony ho iray amin’ireo dimy nahazo diplaoma [tany amin’ny oniversite] tonga eo amin’ny fitadiavana asa, teo anelanelan’ny 1970 sy 1984, no nifidy asa tsy ilàna diplaoma amin’ny ankapobeny. Angamba haharitra hatrany antenatenan’ireo taona 90 izany ambiny amin’ireo nahazo diplaoma izany.”

Zavatra hafa tokony hoheverina

Tsy hoe tsy maintsy hampitombo ny fanantenanao hahita asa ny diplaoman’ny oniversite. Tsy azo iadian-kevitra anefa izao fisehoan-javatra izao: “Efa fohy ny andro.” (1 Korintiana 7:29). Na inona na inona tombontsoa heverina fa homen’ny oniversite, moa ve fampiasana amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao ny andro sisa ny fandaniana efa-taona na mihoatra any? — Efesiana 5:16.

Moa ve ny fianarana azonao tany amin’ny oniversite hanosika anao ho amin’ny zava-kendrenao ara-panahy sa hampanalavitra anao amin’izany? Tsarovy fa tsy ny vola be azo no loha laharana ho an’ny kristiana (1 Timoty 6:7, 8). Ny fanadihadiana notarihin’ireo mpandraharahan’ny oniversite amerikana iray anefa dia mampiseho fa ireo mpianatra amin’izao andro izao dia manana ho ‘hany rehareha ny asany, satria mihevitra ny tenany sy ny fahombiazany ara-nofo ihany izy.’ Nanambara toy izao ny antoko-mpianatra iray: “Ny vola. Toa mihodinkodina eo amin’ny vola ny resadresaka rehetra ataonay.” Inona no mety ho vokatr’izany rivo-pifaninanana mirehitra sy fitiavana fatratra ny zavatra hita maso izany eo aminao?

Angamba ny oniversite tsy sehatry ny fampisehoana fitabatabana intsony toy ny tamin’ireo taona 60. Nefa raha mitony ny fihetsiketsehana, azo atao ve ny milaza fa tontolo iainana madio ireo tranon’ny oniversite? Ny fandinihana momba ny fiainana ao amin’ny tranon’ny oniversite dia nitarika hanao famaranan-kevitra toy izao manaraka izao: “Mbola manana fahafahana saika tsy voafetra ihany ireo mpianatra eo amin’ny lafiny manokana sy sosialy.” Tsy misy famerana mihitsy eo amin’ny zava-mahadomelina sy ny alikaola ary mahazatra ny fahalotoam-pitondrantena — tsy maningana izany. Raha toy izany no izy any amin’ireo oniversite ao amin’ny tany misy anao, moa ve ny fiainana ao amin’ny faritra toy izany tsy mety hanakantsakana ny fiezahanao hitoetra ho madio ara-pitondrantena? — 1 Korintiana 6:18.

Ny zavatra hafa iray mampanahy dia ny fifandraisana voamarina matetika misy eo amin’ny fanohizana fianarana any amin’ny oniversite sy “ny fisarahana tsikelikely amin’ny zavatra inoana ara-pivavahana lehibe indrindra”. (Le sacré dans un monde profane [anglisy].) Ireo fanerena manjo mba hahazoana naoty tsara dia nitarika ny tanora kristiana sasany hanao tsirambina ny asan’izy ireo ara-panahy sy hanjary ho mora taitran’ny fiheverana mifanohitra amin’ny fivavahana ampianarina any amin’ireo oniversite. Ny sasany dia nanimba ny finoany. — Kolosiana 2:8.

Misy zavatra hafa ankoatra ny oniversite

Noho ny fiheverana an’izany zavatra izany dia tanora kristiana maro no nanda tsy hanohy ny fianarana any amin’ny oniversite. Nekeny fa ny fampiofanana omena any amin’ireo kongregasion’ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika isan-kerinandro dia tena nanampy azy ireo hahita asa tokoa . Na dia tsy manana diplaoman’ny oniversite aza ireny zatovo ireny, dia mianatra hanana fihetsika tsara, hahay hiresaka tsara ary hiantsoroka andraikitra. Ambonin’izany, any amin’ny faritry ny fianarana ambaratonga faharoa misy azy, ny sasany dia mianatra mitendry milina fanoratana, manao fandaharana momba ny “informatique”, mekanika, fampiasana milina ao amin’ny orinasa, sns. Ny fahaizana toy izany dia ahazoan’izy ireo asa tapak’andro izay tena be mpitady matetika. Ary na dia mankahala ny ‘hiasana amin’ny tanany’ aza ny tanora maro be, ny Baiboly kosa dia miresaka amim-pankasitrahana ny amin’ny ‘asa mafy’. (Efesiana 4:28, MN.) Moa ve na i Jesosy Kristy aza tsy nianatra asa iray izay nataony, hany ka nantsoina hoe “ilay mpandrafitra” izy? — Marka 6:3.

Marina fa any amin’ny tany sasany dia ireo nahazo diplaoman’ny oniversite no nameno mihoa-pampana ny toerana misy asa, hany ka sarotra ny mahita asa iray na dia tsotra aza, tsy ilàna fiofanana fanampiny. Misy matetika ny fandaharana fianarana asa, sekoly fiomanana na momba ny haitao sy fandaharam-pianarana eny amin’ny oniversite nohafainganina, izay ahazoana ny fahaizana ilaina ao anatin’ny fotoana faran’izay fohy sy amin’ny sarany mora kokoa. Aza hadinoina mihitsy koa fa ireo antontan’isa momba ny asa dia tsy mihevitra ny fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny hanomezany izay ilain’ireo izay manome toerana voalohany ho an’ny tombontsoa ara-panahy. — Matio 6:33.

Miova arakaraka ny toerana ny fanantenana hahazo asa sy ny rafi-panabeazana. Manana fahaizana sy finoana samy hafa ireo tanora. Ary na dia milaza ny fanompoana kristiana ho asa mahasoa aza izahay, dia safidy manokana izany. Ilainao ny miara-mandinika amin’ireo ray aman-dreninao ireo anton-javatra rehetra tafiditra alohan’ny hanapahan-kevitra ny amin’izay ho faharetan’ny fianaranao. Mifandray amin’izany safidy izany, dia “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. — Galatiana 6:5.

Aoka hatao hoe mitaky ny handehananao any amin’ny oniversite ireo ray aman-dreninao; tsy manana safidy afa-tsy ny mankatò azy ireo ianao raha mbola eo ambany fahefany koa.b (Efesiana 6:1-3). Ho azonao atao angamba amin’izay ny hiara-mitoetra amin’ny fianakaviana sady hiaro tena tsy ho resin’ny fitaoman-dratsy any amin’ny oniversite. Misafidiana eo amin’ireo fianarana atolotra; ohatra, aoka ianao hifantoka amin’ny fianarana asa iray fa tsy amin’ny filôzôfian’izao tontolo izao. Tandremo ny fifaneraseranao (1 Korintiana 15:33). Aoka ianao hatanjaka ara-panahy noho ireo fivoriana, ny fitoriana ary ny fianarana manokana. Nandamin-javatra mihitsy aza ireo tanora sasany iharan’ny fanerena ho any amin’ny oniversite mba hahatongavana ho mpitory maharitra tamin’ny fifidianana fandaharam-pianarana iray mety.

Aoka ianao hifidy ny asanao amim-pahamatorana sy ao amin’ny vavaka, amin’ny lafiny iray mba hitondran’izany fahasambarana ho anao, ary, amin’ny lafiny iray hafa, mba hamelan’izany anao ‘hihary harena any an-danitra.’ — Matio 6:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Any Etazonia, ny fianarana any amin’ny oniversite dia andaniana 10 000 dôlara mahery isan-taona amin’ny antsalany! Mazàna ireo mpianatra no mila taona maro mba handoavana ny trosan’izy ireo.

b Angamba tsy hilaina ny hahazoanao “licence” mba hampifaliana ireo ray aman-dreninao. Orinasa maro be no mitaky diplaoman’ny teknisiana ambony (na ny mitovy amin’izany), izay mety ho azo amin’ny fianarana roa taona aorian’ny “baccalauréat”.

[Teny notsongaina, pejy 13]

‘Ny diplaoma [azo tany amin’ny oniversite] dia tsy antoky ny fahombiazana intsony raha ny amin’ny fahitana asa.’ — Ministeran’ny Asa any Amerika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara