FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/7 p. 15-18
  • Azo antoka ve ny sakafonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azo antoka ve ny sakafonao?
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no tsy azo antoka?
  • Fisakafoana any ivelany
  • Zavatra ahina isan’andro
  • Vahaolana
  • Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao
    Foto-kevitra Hafa
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
  • Kely Sisa dia Hahasalama ny Rehetra ny Sakafo
    Mifohaza!—2012
  • 3. Karakarao sy Tehirizo Tsara ny Sakafo
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/7 p. 15-18

Azo antoka ve ny sakafonao?

SORENA i Jeanne raha nahita ilay vaingan-kena novidiny hanaovana sakafo hariva tamin’ny asabotsy tao amin’ny fampangatsiahana. Tampoka ny nandehanan’ny fianakaviana nisakafo tany ivelany tamin’iny alina iny, ka hadinony ny nametraka ilay hena tao anaty fampandriana. Efatra andro tatỳ aoriana izany.

Navoakany tsy fidiny ilay fonosana, novahany, ary nanamarina ny fanahiany avy hatrany ny fofona maimbo. Nieritreritra anefa izy hoe: “Angamba ho afaka ny fofona kely avy aminy amin’ny fahandroana azy tsara.” Teo am-piheverana ilay raharaha anefa izy no nahatadidy ilay fitenenana mahazatra hoe: ‘Rehefa mampiahiahy dia ario.’ Tamin’ny fanariana ilay hena no nitsimbinan’i Jeanne ny fianakaviany tamin’izay nety ho fahasimbam-pahasalamana avy amin’ny fihinanana sakafo tsy azo antoka.

Miitatra amin’ny ambaindainy lehibe kokoa anefa ny olana ny amin’ny sakafo tsy azo antoka. Ny aretina vokatry ny sakafo simba amin’ny ankapobeny no antony mahatonga fanaintainana sy fahafatesana any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana. An-tapitrisany maro no voa na dia any amin’ny tany mandroso aza. Any amin’ny Fanjakana anglisy, ohatra, dia fahavoazana noho ny sakafo simba mihoatra ny iray alina no ampahafantarina isan-taona, ary mety ho zato henin’izany no tena isa marina. Inona anefa no mahatonga ny sakafo ho tsy azo antoka?

Nahoana no tsy azo antoka?

Mety hahatonga ny sakafo ho tsy azo antoka ny fanimbana avy amin’ny bakteria mampidi-doza. Mety hiseho izany rehefa tsy misarona tsara ny lovia fitahirizana legioma, na tsy voasasa ny salady amin’ny sakafo manta, na avela maharitra ivelan’ny fampangatsiahana ny sakafo masaka, na natao tsirambina ny fikarakarana izany sakafo izany. Mety ho simba koa ny sakafo noho ny fanafody famonoana bibikely na raha sendra nipetahan’ny zavatra misy poizina na mampidi-doza.

Sakafo tsy azo antoka maro be no aondrana sy hafarana isan’andro. Tao anatin’ny telo volana fotsiny i Etazonia no nanda ny hampiditra sakafo ratsy, maherin’ny 65 tapitrisa dôlara ny vidiny. Tany maro be anefa no tsy afaka manary sakafo tsy azo antoka. Amidy izy ireny matetika ary hanina.

Milaza ny gazety World Health fa “miely eran-tany ny aretina azo avy amin’ny sakafo, fa tsy eo amin’ny tokantrano mahantra ihany.” Lazainy koa hoe: “Ny tsy fahasalamana sy ny tsy fisian’ny fiadanana mitarika fihenan’ny famokarana ara-toekarena avy amin’ny sakafo simba, dia iray amin’ireo olana ara-pahasalamana miely be indrindra eo amin’ny tontolo ankehitriny.”

Tombanana ho hatrany amin’ny 20 tapitrisa isan-taona any Etazonia ny olona mahita olana ara-pahasalamana avy amin’ny fihinanana sakafo simba. Ary any Eoropa dia ny aretina azo avy amin’ny sakafo no heverina ho antony lehibe mahatonga fahafatesana aorian’ny fahavoazan’ny taovam-pisefo. “Ireo tany mandroso ara-taozava-baventy dia manana ny zavatra tiany sy ny fahazarany, izay mampitombo ny aretina azo avy amin’ny sakafo”, hoy ny mpikaroka iray. “Ny olana iray miharihary indrindra dia ny fitiavany vongan-kena be, izay mazàna tsy masaka tsara akory.”

Fisakafoana any ivelany

Mazàna no tsy misy olona mahatsapa ho sanganehana amin’ny fihinanana any amin’ny hôtely fisakafoana na fihinanana ody ambavafo kely any amin’ny toerana misy izany. Sakafo ana hetsiny maro isan’andro no aroso, tsy misy fiantraikany amin’ny tompona hôtely. Na dia any amin’ny tany mandroso aza anefa dia voan’ny aretina lehibe avy amin’ny sakafo ny olona noho ny fihinanana any amin’ny hôtely.

Tany amin’ny hôtely iray any avaratra andrefan’i Eoropa, ohatra, dia nihoatra ny 150 ny olona voa noho ny sakafo voapoizina, taorian’ny alin’ny Noely. Fantatra taorian’izay fa teo ambony akalana avy nandrasàna vorona manta hatsatsika no nandidiana ireo vorontsiloza masaka. Nahitana bakteria “salmonelle” avy eo tamin’ny vakivaky amin’ny akalana.

Nandritra ny herinandro teny ambony ranomasina, dia 20 isan-jaton’ny mpandeha no voan’ny aretin-kibo mampivalana. Fantatra fa hipoka sy naloto ny lakozian-tsambo, sady tsy ampy ny fitahirizan-tsakafo. Mipetraka maharitra eo ambony latabatra ny sakafo fa tsy atao ao anaty fampangatsiahana, ary ny sisa tsy lany aroso ny ampitso indray.

Na dia misy olana momba ny sakafo tsy azo antoka aza any amin’ny tany mandroso, dia mamohehatra ny vokany any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana.

Zavatra ahina isan’andro

Voalazan’ny gazety World Health fa any amin’ny toerana maro maneran-tany, dia tsy ny tsy fahampian-tsakafo fotsiny no mahatonga faharatsian-tsakafo fa “[avy] amin’ny fihinanana sakafo voapoizina, tsy azo antoka”. Miteraka fiverimberenana aretin-kibo mampivalana sy fidirana otrikaretina hafa izany.

“Tamin’ny 1980”, hoy ny World Health, “dia nisy fitrangan’aretin-kibo mampivalana mahery 750 tapitrisa ka hatramin’ny 1 000 tapitrisa teo amin’ny ankizy latsaka ny dimy taona tany amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana (afa-tsy i Shina). Ankizy efa ho dimy tapitrisa no maty, folo isa-minitra, isan’andro, isan-taona.” Tsy ny ankizy ihany anefa no mety ho voa. Ny tatitra tamin’ny 1984 momba “Ny Anjara toeran’ny Fiarovana ny Sakafo eo amin’ny Fahasalamana sy ny Fampandrosoana” dia nilaza fa “fisehoan-javatra miely ankehitriny ny aretin-kibo mampivalana mahazo ny mpandeha, ka mahavoa mpandeha 20 ka hatramin’ny 50 isan-jato.”

Tsy isalasalana fa ny tsy firaharahana fitsipi-pahadiovana no antony mahatonga ny ankamaroan’ny aretina azo avy amin’ny sakafo. Mety ho azo antoka ny sakafo eo am-boalohany, saingy manjary voapoizina noho ny nataon’ny mpihinana na ny mpanelanelana toy ny mpivarotra na mpahandro.

Toy izany koa fa mety hanapoizina ny sakafo ny fomban-drazana. Any amin’ny faritra maro any Meksika, ohatra, dia mino ny olona fa ny tanana “mafana” avy nanjaitra na nipasoka na nahandro, sns..., dia tsy azo sasana avy hatrany. Inoana fa mahatonga rohana na fivonkinan-kozatra ny fampangatsiahana azy avy hatrany amin’ny rano. Araka izany, ny vehivavy iray “mafana” tanana dia mety ho any amin’ny trano fivoahana ary miverina mikarakara sakafom-pianakaviana, nefa tsy misasa tanana. Fielezan’ny bakteria mampidi-doza no vokatr’izany.

Etsy an-kilany kosa, dia misy fomban-drazana sasany izay manampy amin’ny fisakanana ny fielezan’ny aretina azo avy amin’ny sakafo, raha arahina. Any amin’ny tokantrano maro any India, izay eo amin’ny tany no ahandroana sakafo, dia esorina ny kapa avy nentina nandeha alohan’ny hidirana ao an-trano, indrindra fa ny lakozia. Voasana koa ny voankazo vao hanina. Ora vitsivitsy aorian’ny namonoana ny biby vao hanina ny henany. Ary hanina amin’ny ravina vaovao avy nosasana ny sakafo indraindray fa tsy amin’ny lovia.

Vahaolana

Aiza ho aiza izao ny olombelona amin’ny fanatratrarana ny fanomezana sakafo azo antoka sahaza ho an’ny rehetra? Nilaza toy izao momba ny fiarovana ny sakafo ny Firenena mikambana raha nanazava ny olana: “Nandritra ny 40 taona ireo fandaminana iraisam-pirenena no efa namoaka tatitra ara-teknika maro be sy nanao fandaharana maro mba hamahana ny olana. Tsy mitsaha-mitombo anefa ny aretina avy amin’ny sakafo.”

Ny fampianarana ny olona amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny renim-pianakaviana no vahaolana. Noho izany, ny tsirairay dia afaka mitandrina mba tsy handoto ny sakafo sy hanana fahazarana ara-tsakafo azo antoka ho an’ny tenany sy ny fianakaviany. Manome fanipazan-kevitra sasany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 17]

Mety ho azo antoka ny sakafo rehefa madio ny toerana ikarakarana azy, tahaka ity ao amin’ny trano iray any India ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara