Moa ve ny tany misy anao lasibatra voalohany?
KOA satria vidin’i Etazonia mora ny sigara any Brezila sy Zimbaboe, dia manana sigara ambim-bava izy. Aiza àry no hivarotan’ireo kalazalahy amin’ny sigara izany? Any amin’ireo tany afrikana sy aziatika. Araka izany dia izao no tantarain’ny gazetiboky Asiaweek: “Mandany eo amin’ny 50 isan-jaton’ny sigara aondran’i Amerika ireo tany aziatika ankehitriny, misosoka an’i Grande-Bretagne sy Alemaina andrefana, amin’ny maha-lohalaharana amin’ny tsena.”
Koa toy inona moa ny harena ampanantenaina ny mpivaro-tsigara! Varotra ifanaovana amin’ny olona efa ho roa arivo tapitrisa ao anatin’ireo 20 taona ho avy. Ny mponina any Shina sy India fotsiny no mahazendana fa eo amin’ny 1,8 arivo tapitrisa eo ho eo amin’ny fitambarany! Ary izany no nilazan’ny World Health hoe: “Raha eo am-pihenana iray isan-jato isan-taona ny varotra sigara any amin’ny tany tandrefana, dia miakatra roa isan-jato isan-taona kosa amin’ny ara-keviny ny fifohana any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana.” Ary tadidio fa vitsy lavitra ny mponina any amin’ilay misy varotra mihena noho ny any Atsinanana ahitana varotra mitombo. Manantena ny taozava-baventy momba ny sigara any Etazonia fa hahatratra 18 isan-jato ny fitombon’ny varotra any Azia amin’ny taona 2000. Misy vato misakana iray anefa fara fahakeliny, dia ny fadin-tseranana.
Fomba roa sosona fampielezana aretina sy fahafatesana
Ahoana no ahafahan’ny fikambanam-barotra momba ny sigara any Amerika mampanaiky ny tany hafa handray ny sigara ambim-bavany? Misy fifanoheran-javatra eto, satria ny mpanohana azy dia sady mampitandrina ny mponina ao aminy amin’ny loza ateraky ny sigara, no mampandroso fatratra ilay varotra sigara mahafaty any amin’ny tany hafa. Iza moa izy io? Ny fitondram-panjakana amerikana!
Manazava toy izao ny Asiaweek: “Nandroso tsy nisy fanoherana ny fanondranana sigara, izay mahazo ny fanohanana matanjaky ny fitondram-panjakana amerikana avy ao ambadika. (...) Ny Birao miandraikitra ny varotra amerikana (...) dia nanao izay rehetra azo atao mba handravana ny fanakantsakanana ny varotra sy hamelana ireo fikambanam-barotra amerikana hampiasa ireo fampahalalam-baovao any Azia — na dia voarara hatry ny ela aza ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara ao amin’ny fandefasam-peo any Etazonia.” Mitantara toy izao ny gazetiboky World Health: “Mampihatra fanerena ara-politika lehibe dia lehibe ny fikambanam-barotra momba ny sigara [amerikana]. Nisy fanasaziana ara-barotra na fandrahonana momba ny fanasaziana toy izany natao ho an’i Hong Kong, Taiwan, Japana, ary Korea raha toa izy ireo ka tsy manokatra ny tsenany ho an’ny varotra sy ny dokambarotra momba ny sigara amerikana.”
Mbola ratsy kokoa aza fa tsy vitan’ny hoe mivarotra ny vokany any Azia ny fikambanam-barotra momba ny sigara fa mandoka ny varony amin’ny alalan’ny dokambarotra feno fanerena koa. Ny tany sasany toa an’i Taiwan sy Korea Atsimo, izay teo ambany fanerena, dia nanafoana ny fandrarana ny dokambarotra momba ny sigara any aminy mihitsy aza! Amin’izao fotoana izao koa i Shina dia eo amin’ny toerana voalohany ao amin’ny lisitra misy ireo tany kendren’ireo mpanamboatra sigara amerikana. Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny talen’ny fikambanam-barotra momba ny sigara iray: “Fantatrao ve izay ilainay? Mila an’i Azia izahay.” Nefa ahoana no fahitan’ny sasany an’izany tetika feno fanerena amerikana izany?
Araka ny voalazan’ny masoivohon’ny New York Times anankiray, dia nisy mpanao raharaham-barotra Koreana iray nanakiana ny “tsy fahamendrehana ampiasain’ny Amerikana mba hanerena ny vahoaka koreana hanaiky ny sigarany.” Ary ara-dalàna ny fiheverany. Sady miady hanoherana ny fampidirana ao aminy “cocaïne” sy “héroïne”, izay fototry ny toekaren’ny sasany i Amerika, no maniry hanary ny zavamaniriny misy poizina any amin’ny firenena hafa. Koa satria i Amerika mihambo ho manana fari-pitondrantena ambony, moa ve mifanaraka amin’izany ny famitahany ny firenena hafa, izay ao anatin’ny fahasahiranana mafy ara-toekarena ny maro aminy, mba hanaiky ny ambim-bavany amin’ny sigara mampidi-doza?
Fanoherana vitsivitsy
Misy firenena afrikana vitsivitsy, toa an’i Gambia sy Mozambika ary Senegaly, nandrara ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara. Nanambara ny minisitry ny fahasalamana any Nizeria tamin’ny herintaona fa ny fitondram-panjakana nizeriana dia “hanafoana ny dokambarotra rehetra amin’ny gazety, ny fampielezam-peo, ny televiziona, ary eny amin’ny peta-drindrina. Horaranay ny fifohana eny amin’ny kianja sy fitaterana rehetra natao ho an’ny vahoaka.” Nampahafantarin’ny mpiasa amin’ny fampahalalam-baovao nizeriana iray ny Mifohaza! (tamin’ny janoary 1989) fa mbola iadian-kevitra foana io raharaha io.
Firenena iray ahitana mpifoka 240 tapitrisa i Shina. Manampo ireo manam-pahefana momba ny fahasalamana fa hatramin’ny taona 2025 dia mponina roa tapitrisa isan-taona no hafoy noho ny aretina ateraky ny fifohana. Manana zava-manahirana goavana i Shina, araka ny fieken’ny gazetiboky China Reconstructs toy izao: “Na dia eo aza ny fandrarana ny dokambarotra momba ny sigara ataon’ny fitondram-panjakana sinoa, sy ny tatitra fampitandremana momba ny vokatra manimban’ny fifohana ataon’ny gazety sy gazetiboky tsy tapaka, ary ny fidangan’ny vidin-tsigara, dia tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mpifoka any Shina.” Ary inona no anankiray amin’ny vokany? “Ny homamiadana sy ny aretin’ny fo sy ny lalandra ary ny aretin’ny fisefo izao no mahafaty indrindra eto Shina.”
Any amin’ny faritra sasany any Shina dia mariky ny fahaizana mandray vahiny ny fanolorana sigara rehefa misy vahiny tonga. Toy inona anefa ny vokany zakain’i Shina! Mitantara toy izao ny China Reconstructs: “Nampitandrina ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana fa mitombo amin’ny ambaratonga lehibe ny fitrangan’ny homamiadan’ny havokavoka.” Toy izao no nambaran’ny manam-pahaizana Sinoa iray: “Efa be loatra ny vokany zakaintsika.”
Misy anefa loza hafa iray eo amin’ny hery mitaonan’ny mpanao dokambarotra momba ny sigara, dia ny heriny an-kolaka eo amin’ny fampahalalam-baovao.
[Sary, pejy 10]
Dokambarotra fanoherana ny fifohana any Hong Kong