Fisavihana — Voaro tamin’izany izy noho izay novakiny
INONA no fihetsika harahina manoloana ny mpisavika iray? Tsy mitovy ny hevitra ny amin’io raharaha io. Milaza ny sasany fa vao mainka manaitaitra ilay mpisavika ny fanoherana rehetra atao. Ny Baiboly kosa anefa dia manoro hevitra mba hanohitra (Deoteronomia 22:23-27). Iza amin’ireo torohevitra ireo no tsara indrindra?
Manoro hevitra mba hanohitra ny fandinihana iray natao vao haingana, navoaka tao amin’ny Gazety amerikana momba ny fahasalamam-bahoaka (anglisy), laharana tamin’ny janoary. Manambara toy izao ilay lahatsoratra: “Tonga amin’izao fanatsoahan-kevitra lehibe izao avokoa ny fikarohana ara-panandraman-javatra fotsiny: mampihena izay mety ho fahatanterahan’ny famelezana iray ny fanoherana.” Izay nitranga tamin’ny vehivavy Japone iray tamin’ny septambra 1988 no manazava izany. Diso alina izy vao nody tao an-tranony, izay nitoerany irery. Hoy ny fanazavany: “Nisy mpisavika niditra tao an-tranoko ary nohidiany ny varavarana. Taitra tanteraka aho sady raiki-tahotra ka tsy nahahetsika. Nanandrana nisintona ahy ho ao amin’ny efitrano fatoriana ilay lehilahy, saingy namikitra tamin’ny andry iray aho ary nanohitra azy.
“Tsaroako tamin’izay ilay andalan-teny ao amin’ny Deoteronomia toko faha-22. Milaza izy io fa raha toa ny vehivavy iray ka iharam-pamelezana, nefa tsy miantsoantso, dia mampiseho izany fa manaiky ilay lehilahy izy ka manota amin’i Jehovah. Tsaroako koa izay novakiko tao amin’ny lahatsoratry ny Mifohaza! anankiray mitondra ny lohateny hoe ‘Ny fisavihana — Ahoana no hiarovanao tena amin’izany?’ — 8 oktobra 1980, amin’ny fiteny japone; 8 jolay 1980, amin’ny fiteny anglisy.
Niteny anakampo aho tamin’ny farany hoe: ‘Tsy maintsy mikiakiaka sy manohitra azy amin’ny heriko rehetra aho.’ Nikiakiaka tsy ankiato àry aho, nanao hoe: ‘Jehovah ô, ampio aho!’ Rehefa nisintona ny tanako niankavanana ilay mpisavika dia nosintoniko niankavia. Rehefa nisintona ahy nandroso izy dia nosintoniko niverina, ary rehefa notampenany ny vavako mba hanandramana hanakana ahy tsy hikiakiaka, dia nokaikeriko. Nanohy nanohitra azy aho na inona na inona nitranga.
“Nihareraka tsikelikely aho. Nisefosefo aho, ary tsapako ho toy ny hijanona tsy hitepo ny foko, nefa dia nanohy nanao izay rehetra azoko natao aho mba hanoherana azy, ary tsy nitsahatra niantso an’i Jehovah mba hanampy ahy. Tamin’ny farany, dia niala ilay mpisavika, namonjy haingana ny varavarana, ary lasa nivoaka.
“Mino aho fa noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fampiharako izay novakiko tao amin’ny Mifohaza! no nahafahako niaro tena tsy ho voasavika. Raha tsy namaky ilay lahatsoratry ny Mifohaza! aho, dia inoako fa ho resin-tahotra ka nangina fotsiny, ary azo inoana fa ho nanao araka izay nolazain’ilay mpisavika. Misaotra betsaka anareo indrindra.”