Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ny fifohana sigara—Ireo loza aterany
“ASAIN’NY dokotera ampiasaina.” Izany no teny manaitra fanaovana dokam-barotra nofidin’ny orinasa fanaovan-tsigara iray tao anatin’ireo taona 50, mba handokafana ny zava-bitany. Izany fotoana nisehoan’ny sigara tamin-toky tsara ho toy ny soa ho an’ny fahasalamana sy loharanon-kery izany anefa ankehitriny dia efa tapitra. Misy fitondram-panjakana, amin’izao fotoana izao, mitaky ny hanoratana fampitandremana momba ny voka-dratsy mahatsiravin’ny sigara eo amin’ny fahasalamana, eo amin’ny fonon-tsigara.
Ny mpifoka sigara sasany anefa tsy te hiala amin’izany: mampaharisika ny sainy sy manampy azy amin’ny asany ny sigara. Raha ny amin’ny loza mananontanona ny fahasalamana asehon’ny sigara indray, dia mety hilaza izy ireny fa tsy ratsy noho ny fihinanana zava-mamy hahazoana hery na ny fisotroana kafe mba hampahavitrika amin’ny maraina, ny fifohana sigara; raha tsy ferany ho eo amin’ny fahavoazana ara-batana fotsiny ny loza ateraky ny sigara. Manala tsiny azy ireo ve ny fiheverany? Misy porofo iray monja ve manamarina fa, na dia eo aza ny loza rehetra setrain’ny mpifoka, dia mety hampitombo ny fahaizan’izy ireo ny sigara?
Fatiantoka lehibe
Na manaitra ny fahavitrihan’ny sain’ilay mpifoka sy ny fahaizany miasa tokoa ny sigara, na hevi-dravina fotsiny izany, dia tsy hoe tsy mihoa-pampana akory ny vidiny aloa aminy. Raha tsy resahina ny mety hahavoan’ny homamiadana na aretim-po, dia mendrika ny hoheverina ny vokatra iray miseho haingana kokoa: ao anatin’ny fito ka hatramin’ny folo segondra aorian’ny fisintonan-tsetroka tsirairay, dia mahatsapa ny fahataitairana avy amin-java-mahadomelina, ny “nicotine” eto, ilay mpifoka. Izao no ambaran’i Nina Schneider, manam-pahaizana momba ny fanafody fitsaboana aretin-tsaina ao amin’ny oniversiten’i Californie, momba io zavatra io: “Ny tena ihany no mampiditra azy, ary dia manapaka ny toe-tsaina sy ny fihetsika izy. Izany no mahatonga azy hamorona fahatsapana filana azy mafy aoka izany.”
Moa ve ny tena ho mpila “nicotine” koa, toy ny amin’ny “héroine” sy ny “cocaïne”? Tena izany tokoa no izy, raha heverina ny fampitandremana iray navoakan’ny lehiben’ny sampandraharaha amerikana miadidy ny fahasalamana tamin’ny 16 may 1988. Araka ny heviny, ny filan’ny vatana an’io zava-mahadomelina io dia manazava ny antony mahatonga ny mpifoka sasany “tsy hiala amin’ny sigara na dia eo aza ny vokany manimba eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-tsosialy.”
Ary toy inona moa ny vokany! Tamin’ny 1985 dia namono olona 100 000 isan-taona ny sigara tany Grande-Bretagne, 350 000 tany Etazonia, ary tompon’andraikitra tamin’ny ampahatelon’ny fahafatesana nitranga tany Gresy. Tena sarotra ny mahita fialan-tsiny na inona na inona amin’ireo tarehimarika ireo, izay manamarina fa mahaforona loza mananontanona ny fahasalamam-bahoaka ny sigara. Tsy vitan’ny hoe tsy mitondra na inona na inona ho an’ny vatana, toy ny ataon’ny sakafo na zava-pisotro iray fotsiny ny sigara, fa tena manimba mihitsy.
Moa ve àry ratsy noho ny “caféine” avy amin’ny kafe na dite na “chocolat”, ny “nicotine” amin’ny sigara na paraky? Tsy azo ampitahaina mihitsy raha amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Manambara toy izao momba izany i Peter Dews, manam-pahaizana manokana momba ny “caféine”, ao amin’ny Oniversite Harvard: “Tsy mahaforona antony iray lehibe eo amin’ny zava-manahirana ara-pahasalaman’ny Amerikana ny “caféine”, tsy toy ny sigara.” Mbola vao fiandohan’ny fanamelohana maharitra iray anefa izany asa fiampangana ny sigara izany.
Fandinihana lalina ny fialan-tsiny ratsy iray
Mba hiaikena fa tsy mety hitovy laharana na oviana na oviana amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro ny fampiasana sigara, dia ampy ny mianatra kely ny amin’ny fiziôlôjian’ny tenan’olombelona. “Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy”, hoy ny Mpitoriteny 7:29. Asa voajanaharin’ny vatana ny mihinana, dia asa izay fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Mifanohitra amin’izany, ny fampiasana zava-mahadomelina noho ny antony hafa ankoatra ny ara-pahasalamana dia zavatra noforonin’olombelona. Tsy azo atao ny mampiasa, na voajanahary na nohalefahina, ireo zavatra miteraka filana azy foana ireo. Na fohina izy ireny na hanina amin’ny endriky ny pilina, na hitsindronana, dia misy vokany mahataitaitra tsy araka ny natiora eo amin’ny fiasan’ny vatana.
Saika mameno hatrany ny filana voajanaharin’ny vatana ny ventin-kanina na ny ranony, na amin’ny famoronana fanangonan-kery izany, na amin’ny fetezan’ny fitomboana na fanamboarana tambatsela. Marina fa ny olona voan’ny aretina sasany dia tsy tokony hihinana ireo sakafo misy mpitahiry na menaka be loatra na “caféine”. (Amin’ny endriny mahazatra, dia mampidi-doza ny siramamy ho an’ireo voan’ny diabeta.) Ho an’ny ankamaroan’ny olona anefa dia mahavelona aza izany sakafo izany ary tsy mampaninona raha hanina amim-pahalalana onony. Hafa tanteraka noho izany ny fampiasana sigara.
Toy ny amin’ny “cocaïne”, ny fifohana indray mandeha na indroa monja dia ampy hampitranga ny endrika mamitaka lozan-tanin’ny sigara. Nasehon’ny fandinihana nataon’ny fitondram-panjakana britanika fa 85 % amin’ireo tanora tsy nikasika afa-tsy sigara roa monja no hanjary hifoka.
Tsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy
Marina tokoa fa tsy afaka ny ho tsara ny tena raha mpila zava-mahadomelina, na, manana “filana (nicotine) tsy hay tohaina”, araka ny ilazan’ny lehiben’ny sampandraharaha amerikana momba ny fahasalamana azy. Inona no lazain’ny Baiboly? Toy izay hanaiky ho voatariky ny vatana toy ny andevo, dia tokony haneho fifehezan-tena, izany hoe fahefana ‘hitondra ny tena toy ny andevo’. — 1 Korintiana 9: 24-27, MN.
Tsy ny vatana ihany no asian’ny sigara noho izy mahatonga ny mpifoka ho mora voan’ny homamiadana, ny fivontosan’ny tena, ary ny aretim-po sy lalandra fa manalefaka ny herin-tsain’ilay olona koa izy io. Araka izany, noho ny poiziny mahery, dia azo lazaina fa maha-andevo ny maha-izy ilay mpifoka sy ny toe-tsainy ny sigara. “Hatramin’ny 26 taona, hoy ny fieken’ny mpanao gazety iray ao amin’ny revio Time, no naha-andevon’ny sigara ahy. Folo taona izao fara fahakeliny no niezahako niala tamin’izany. Ireo domelin’ny “nicotine” ihany, izay niezaka imbetsaka niala tamin’izany fahazarana izany, ary tsy nahomby, no tena afaka mahatakatra hoe hatraiza no maha-sarotra ny fialana amin’ny sigara.”
Mandidy antsika ny Baiboly, dia isika izay tian’Andriamanitra, mba ‘hanadio (ny tenantsika) ho afaka amin’ny fahalotoana [fandotoana] rehetra ny nofo sy ny saina’. — 2 Korintiana 7:1; Traduction interlinéaire du Royaume.
Nahoana Andriamanitra no miahy ny amin’ny tsy hanimbantsika ny tenantsika na ny saintsika? Satria fotsiny izy no Mpamorona antsika tia, ary iriny ny hahita antsika miaina amin’ny fampiasana faran’izay betsaka ny fahafahantsika manao zavatra. Amintsika indrindra no ilazany toy izao: “Izaho, Jehovah, no Andriamanitrao, Izay mampianatra anao mba handraisanao soa avy amin’izany [fa tsy ny hanimbanao ny tenanao].” — Isaia 48:17, MN.
Araka izany, ny tena fahasahiranana dia ny hoe ho marina amin’ny tena, mba hahasoa. Tsy mahasoa ny hiarovana ny sigara amin’ny filazana ny vokany mampitony na ireo “soa” hafa avy aminy mba hisakanana fotsiny ny fijaliana rehefa mila azy. Eo amin’ny lafin’ny fitsaboana dia loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fampiasana sigara; eo amin’ny lafiny ara-pivavahana anefa dia fandikana ny fotopoto-pitsipika madion’ilay Mpamorona antsika io zavatra noforonin’olombelona io. Ny fampandalovana “nicotine” avy ao amin’ny avokavoka mankao amin’ny rafitry ny fikorianan-dra dia mandoto sy manimba ny tena. Nahoana no hamorona fahasahiranana tahaka izany? Tsara tokoa ny hanarahana ity ohabolana ity: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” — Ohabolana 22:3.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Karandoha mifoka sigara, Vincent Van Gogh, 1885. Fitehirizana ny rakitry ny elam-pirenena any Amsterdam.