Mpandika lalàna tonga misionera
6 aogositra 1950 tamin’izay. Niara-nitsangana tamin’ny reniko tao amin’ny Kianja Yankee, tany New York, aho. Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay tamin’izay. Samy mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah izahay mianaka tamin’izay. Nijery nanodidina ahy aho, talanjona noho ny vahoaka sesehena, naherin’ny iray hetsy tao amin’ilay kianja sy ny nanodidina azy, kanefa tsy nisy fifanosehana, fanompana na fifamelezana, na fanehoana hatezerana na dia kely aza. Tadidiko aho niteny tamin-dreniko hoe: “Sarotra inoana izao. Tao amin’ireo fandaminana nisy ahy sy ireo toerana nalehako dia matetika nisy fifamelezana. Neny a, tsy maintsy ity no fahamarinana!” Nogejainy mafy fotsiny ny tanako ary nitsiky izy, satria fantany ny fomba fiainako tamin’ny lasa toy ny tsy misy afa-tsy ny reny ihany no mahafantatra azy. Mamelà ahy hitantara kely ny amin’izany lasa izany.
Teraka tany Metropolis, tanàna kely iray teo amoron’ny Ony Ohio tany amin’ny faritra atsimon’i Illinois aho. 1930 tamin’izay, ary nangeja mafy izao tontolo izao ny Fitambotsorana ara-toekarena Lehibe. Ny fahasivy tamin’ny ankizy 11 aho. Notezaina tao amin’ny fivavahana loterana aho. Isaky ny tolakandro ny reniko dia nipetraka sy namaky teny tao amin’ny Baiboly ho ahy, ary tena nahafinaritra ahy mihitsy ireny fotoana ireny. Nampianariny ahy ilay andininy ao amin’ny Jaona 3:16 izay manao hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”, ary nilazany aho mba tsy hanadino ny fitiavan’Andriamanitra antsika mihitsy. Tadidiko matetika io andinin-teny io ary naverimberiko ho ahy samy irery rehefa irery iny aho, nefa tsy azoko ny hoe tamin’ny fomba ahoana marina no nitiavan’Andriamanitra antsika, sy izay dikan’izany teo amin’ny fiainako. Tsaroako fa nanontany olona toa tia fivavahana samihafa aho, ary karazam-baliny toy izao no azoko: “Manome antsika hazo sy voninkazo Andriamanitra”; “Manome antsika fiainana Andriamanitra”; “Manome antsika ireo biby, sy ireo kintana tsara tarehy ary ny orana mampitombo ny zavatra Andriamanitra.” Avy eo aho dia nieritreritra hoe: “Ireo zavatra rehetra ireo ange ka efa teo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy e. Mampanantena fiainana mandrakizay io andinin-teny io, kanefa maty ny rahalahiko sy ny anabaviko.’ Rehefa nanontany momba izany aho, dia izao no nolazaina tamiko: “Any aorian’ny nahafatesanao ange no hitrangan’izany e.” Araka izany àry, raha mbola vao ankizilahy kely aho dia very hevitra, ary vao tany aloha be teo amin’ny fiainako dia efa tsy liana tamin’ny fivavahana sy ny Sekoly alahady intsony.
Teo amin’ny fahafolo taonako aho dia efa tanora mpandika lalàna ary anisan’ny andian-jiolahim-boto ka nitarika izany mihitsy aza indraindray. Nanan-java-nanahirana tsy an-kijanona tamin’ny manam-pahefana aho. Isaky ny nahita fiaran’ny pôlisy teo amin’ny arabe nisy anay ny raiko dia nihevitra foana fa izaho no notadiavin’izy ireo ka hoy izy hoe: “Mandehana antsoy i Robert, fa tonga iny ny pôlisy.” Nijaly mafy ny ray aman-dreniko noho ny ditrako, ary niangavy ahy foana ny raiko mba hampitsahatra ny fifaneraserako tamin’ilay andian-jiolahim-boto niarahako lava. Kivy aoka izany izy ka izao no nolazainy tamiko: “Nanome anay fahasahiranana betsaka kokoa noho ireo ankizy hafa rehetra mitambatra ianao, ary noho ny fifaneraseranao ihany no mahatonga izany.” Nahagaga anefa fa hoy foana ny navalin’ny reniko ny raiko: “Mbola hiova izy. Jereo ange, fa ho tonga mpitory teny i Robert indray andro any e.”
Manova ahy ny fahamarinan’Andriamanitra
Avy eo dia nisy zava-nitranga izay nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainako. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Evelyn anabaviko tamin’ny 1948. Kanefa tamin’izany fotoana izany ny hany fantatro momba ny Vavolombelon’i Jehovah dia ny fialanalanany teo amin’ny raharaham-pirenena sy ny politika. Nirona ho amin’ny fanindrahindram-pirenena be aho tamin’izany, ary tsy tiako raha nifandray tamin’ireny olona ireny ny anabaviko. Nanao fiezahana mafy mba hanohitra azy àry aho. Na dia izany aza anefa, dia takany fa ny fahamarinana io nianarany io, ka tsy nihaino ahy izy. Mandrak’androany izy sy ny ankamaroan’ireo zanany sy ny zafikeliny dia manompo an’i Jehovah Andriamanitra amim-pahatokiana. Ankehitriny aho dia misaotra azy sy Andriamanitra noho ny faharetany satria indray andro aho, raha tao an-dakozia, dia sendra nahare azy niara-nandinika ny Baiboly tamin’ilay nampianatra azy ny Baiboly. Fantatro tamin’izay ny amin’ilay paradisa an-tany ho avy sy ny fahafahana ny ho velona mandrakizay eo. Niverina tao an-tsaiko ny Jaona 3:16, ary nieritreritra aho hoe: ‘Izany no fitiavan’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’i Jesosy.’ Taorian’izay, isan-kerinandro, dia nihaino avy tao an-dakozia aho. Tsy ela dia nasain’izy ireo hiaraka handray anjara tamin’ny fianarany aho. Tamin’izany no nahafantarako ilay Andriamanitra marina sy be fitiavana, dia i Jehovah.
Nanatrika ilay fampianarana koa ny ray aman-dreniko, ary taorian’ny nifindrany honina tany Ypsilanti, any Michigan, dia nanohy ny fianarany ny Baiboly izy ireo. Fotoana fohy taorian’izay, dia nanaraka an-dry zareo tany aho. Tamin’ny 1950 aho dia nandeha nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah nalehako voalohany, fivoriambe niraisam-pirenena tao amin’ny Kianja Yankee, any New York. Izany fifanehoana fitiavana marina nandritra ny herinandro izany dia nampiaiky ahy fa ireo no karazan’olona tiako hiarahana akaiky mandritra ny androm-piainako sisa. Tao amin’io fivoriambe io no nanaovako ny fanoloran-tenako hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.
Teo an-dalana hody ho any Michigan avy tany amin’ilay fivoriambe izahay dia faly afaka nitsidika an’i Gileada, ny Sekoly ara-baibolin’i Watchtower, natao hampiofanana mpitory ho misionera any an-tany hafa. Tamin’izany fotoana izany, dia tao amin’ny toerana tsara tarehy tany ivelan’ny tanàna, tany akaikin’i South Lansing, any New York, io sekoly io. Tamin’io fitsidihana io aho no nametra ny asa misionera ho zava-kendreko.
Tamin’ny 10 septambra 1950 aho no niara-natao batisa tamin’ny olona roa hafa tao amin’ny sakelidrano kely teo amin’ny toeram-piompiana iray. 19 taona aho tamin’izay. Niova ny fifaneraserako, ary rehefa nifankahita tamin’ny maro tamin’ireo namako taloha aho, dia nanontanian’izy ireo ny amin’izay nitranga. Ny sasany dia nilaza fa lasa adala aho. Kanefa, raha ny marina, dia tsy mbola nahatsiaro tena ho salama saina toy izao aho hatramin’izay niainako! Talanjona sady faly dia faly ny raiko.
Tamin’ny 1951 aho dia nanambady an’i Earline Merlau Olson. Samy hafa be tamin’ny ahy ny fiaviany, satria izy notezaina ray aman-dreny nanolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra izy nandritra ireo fotoam-pialan-tsasatry ny sekoly ary nanantena ny hanitatra ny fanompoany ho amin’ny saha misionera.
Miezaka manatratra ny zava-kendrenay ihany izahay na dia eo aza ny zava-manahirana
Noho ny toerana notanako ho an’ny fialanalanana kristiana dia voarain’ireo manam-pahefana indray aho, ary vao voalohany teo amin’ny fiainako aho no nankany an-tranomaizina — noho ny naha-kristiana ahy! Nandritra ilay andro sy alina nitanana ahy tao am-ponjan’ny toerana nonenanay, dia nahita tamin’ny fomba niharihary ny fiahiana sy fiambenana feno fitiavan’Andriamanitra aho. Niteny tamin’ireo mpigadra hafa ny iray tamin’izy ireo, ny filohan’ny mpigadra tao amin’ilay efitra kely nisy anay angamba, fa ta hanao ‘sarintsarim-pitsarana’ (fanaon’ny mpigadra sasany mba hampijaliana ny iray aminy) izy, ka izaho, hono, no hotsaraina. Inona àry no hataoko izao? Hiverina hanao toy ny fanaoko fony aho tanora mpandika lalàna sa hatoky an’Andriamanitra? Nitalaho mafy tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hitoetra ho mahatoky ary hanome fahendrena sy hery ahy. Vetivety teo dia nisalovana hamonjy ahy ny mpigadra hafa iray. Nilazany ny hafa fa izy no tokony horaisin’izy ireo mba hampiharany ny fampijaliany, ary nanosika ahy ho ao an-damosiny ara-bakiteny izy ka nanao hoe: “Tsy maintsy mandalo amiko ianareo vao mahazo azy.” Nisy fihenjanana naharitra ela tamin’izay. Avy eo dia hoy ilay filohan’ilay efitra kely nisy anay: “Avelao handeha. Tsy dia zava-dehibe manao ahoana tsinona izy izany.” Nisaotra an’Andriamanitra aho! Nahomby ny asan’ny mpisolovava ka azony ny fahafahako ny ampitson’iny, nefa ny fandaminana ny raharaha ara-dalàna dia naharitra telo taona mandra-pahafako tanteraka tamin’ny raharaha miaramila tamin’ny farany tamin’ny naha-mpitory teny ahy.
Tamin’ny 1 may 1955, izahay sy ny vadiko dia nanomboka ny asa hataonay ho antom-piainanay, dia ny asan’ny mpitory manontolo andro na mpitory maharitra. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra nandritra ny roa taona tao amin’ny kongregasionan’i Ypsilanti, any Michigan, izahay. Avy eo izahay dia nasaina ho mpitory maharitra manokana, nanomboka tamin’ny 1 may 1957, tany Burlington, any Vermont, ka nanokana fotoana betsaka kokoa ihany ho an’ny asa fitoriana. Nandritra ireo roa taona nijanonanay tao, dia nandray anjara tamin’ny fanorenana indray ny kongregasiona tao izahay. Ny Efitrano Fanjakananay voalohany dia teo afovoan’ny tanàna mihitsy! Ny alahady, ny lahateny ampahibemaso dia momba ny hoe “Ny komionisma sa ny kristianisma — iza amin’ireo no ho izy?” Koa satria nisy fandrahonana natao mba hanakanana ny fivorianay, dia nankany amin’ny pôlisy aho mba hanontany azy raha afaka miantehitra amin’izy ireo izahay mba hahazoana fiarovana raha ilaina izany. Nomeny toky aho fa izy no hikarakara ny tarehin-javatra. Teo amin’ny 20 minitra talohan’ny hanombohan’ny fivoriana teo ho eo, dia nisy fiara feno lehilahy nipetraka teo anoloan’ny Efitrano Fanjakana. Tao anatin’ny minitra vitsivitsy monja dia tonga ny pôlisy ka niresaka tamin’izy ireo, ary dia lasa nandeha ireo. Nilamina sady be mpanatrika ny fivorianay.
Rehefa ela ny ela dia misionera ihany!
Nasaina hiasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watchtower any New York izahay nanomboka ny 1 may 1959. Raha teo am-panomanana ny entanay handehanana ho any izahay dia nisy taratasy hafa iray nanasa anay hanatrika ny Sekolin’i Gileada mba hiofana ho misionera, nanomboka tamin’ny septambra 1959. Fitahiana lehibe dia lehibe roa tao anatin’ny herintaona! Rehefa ela ny ela dia tazanay teo anoloanay ny zava-kendrenay, dia ny ho misionera. Nitohy niitatra hatrany ny fanompoanay masina.
Tamin’ny febroary 1960, taorian’ny fianarana sy ny fiofanana naharitra efa ho enim-bolana, dia nahazo ny diplaoman’ny kilasy faha-34n’ny Sekolin’i Gileada izahay. Nahazo fanendrena ho any Bogotá, any Kolombia, izahay, ary tonga tany ny 1 martsa 1960.
Ny fahasahiranana voalohany natrehinay dia ny fianarana ny teny espaniola. Niteraka fihomehezana be dia be ny tsy fahaizako nampiasa ireo teny. Tsaroako fa niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny filasiana aho nandritra ny fivoriamben’ny distrikanay voalohany ary nangataka tamin’ireo rahalahy mba hampindrana kidoro (colchones) anay, kanefa ny teny hoe cochinos (kisoa) no voateniko. Nanontany ahy tamim-pahalemem-panahy izy hoe: “Inona no ilànao azy ireo?” Dia hoy aho hoe: “Mba hatorian’ireo rahalahy.” Taorian’ny fihomehezana, dia nahazo ireo kidoro izahay.
Sady nankafỳ ny zavaboarin’Andriamanitra izahay teo anoloan’ny hatsaran-tarehin’ny tendrombohitr’i Andes manerinerina voasaron’ny orampanala, ireo ala mikirindro ary ireo tany lemaka, no nahita fanandraman-javatra maro tsy hay hadinoana. Ny iray tamin’izany dia nandritra ny fitsidihanay ireo mpitory maharitra manokana tany Villavicencio, toerana nisy ny llanos (tany lemaka) voalohany. Tao amin’ny tanànan’i San Martín izahay dia nifankahita tamin’ireo Vavolombelona avy tany Granada. Izany no ho fandrenesan’ny mponin’i San martín ny hafatr’ilay Fanjakana voalohany. Raha teo am-piresahana tamin’ny ramatoa iray tao an-tokantranony ny vadiko, dia nanatona azy ny ankizilahy kely iray ary nanontany azy hoe inona no nataony teo. Taorian’ny nilazany izany taminy, dia lasa io nefa niverina indray ka nilaza taminy fa nisy mpividy zavatra iray tao amin’ilay fivarotana terỳ ampitan’ny arabe naniry ny hiresaka taminy. Nohenoin’ilay rangahy tamim-pifaliana ilay hafatra ary nangataka ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra tany amin’ny vadiko izy. Rehefa nanolotra ny handefa ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! tamin’ny paositra ho azy izy, dia nilaza ilay rangahy hoe: “Lavitra be loatra any amin’ny tany lemaka no misy ahy ka tsy tongan’ny paositra. Ho voatery hankatỳ San Martín aho mba haka ny taratasiko, nefa isan-taona ihany aho vao mankatỳ rehefa mividy entana.” Noho ny fanampiana avy amin’Andriamanitra, tamin’io taona io izy dia tonga teo tamin’ny fotoan’ny fitsidihanay.
Nahafinaritra anay tokoa ny nizara ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo mponina tany Kolombia nandritra ny 16 taona, tamin’ny fampiasana ny fomba fitaterana azo nampiasaina rehetra: ny “piragua” (lakana), ny fiaramanidina, ny fiarambahoaka, ny fiarakodia, ny soavaly ary ny ampondra. Na taiza na taiza nalehanay, dia nahita olona tsara fanahy faly niresaka ny amin’ny fahamarinan’ny Baiboly sy nanjary nahafantatra ary nahatakatra marina ny fitiavan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany malala izahay.
Fanompoana masina eto Etazonia indray
Tamin’ny 1976, noho ny andraikitra manokana, dia voatery niverina teto Etazonia izahay, ary mbola afaka nanohy ny fanompoanay masina tamin’ny naha-mpitory maharitra. Avy eo aho tamin’ny 1980 dia nanana fahafahana ny hitsidika kongregasiona maromaro teo amin’ny fizaran-tany iray tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany. Notendrena àry aho hanompo teo amin’ny faritany miteny espaniola. Faly dia faly izahay niara-niasa tamin’ireo rahalahinay sy anabavinay ara-panahy be firaiketam-po sy fitiavana tao amin’ny fizaran-tany tany amin’ny faritra samihafa teto Etazonia.
Fony aho mbola ankizy kely, dia hoy ny reniko tamiko: “Aza hadinoina mihitsy ny fitiavan’Andriamanitra!” Misaotra an’i Jehovah aho noho ny fanampiany ahy, tamin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany, hahatakatra ny fitiavany sy izay dikan’izany ho an’ny fianakavian’olombelona, ary koa noho ny fanampiany ahy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny, tsy ho tanora mpandika lalàna intsony fa hiova ho olona azony ekena mba hanao ny fanompoana masina. Narotsany tamiko ny fitahiany, ka izany no nahafahako nahatratra ireo zava-kendrena napetrako teo amin’ny fiainako. Noho ireo tombontsoa sesehena azonay teo amin’ny fanompoana masina an’i Jehovah sy noho ny fiainana tondraky ny fahasambarana, izahay mivady dia misaotra an’i Jehovah, ny Zanany ary ny fandaminany mahatoky. — Notantarain’i Robert. D. Reed.
[Sary, pejy 25]
Robert sy Earline Reed
[Sary, pejy 26]
Andro fanasana lamba ho an’i Earline vadiko, tany Kolombia