FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 17-19
  • Vonona ho amin’ny batisa ve aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona ho amin’ny batisa ve aho?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Ampy taona ve aho?’
  • ‘Manana fahalalana ampy ve aho?’
  • “Mankatò ny teny”
  • ‘Nanao an’i Jehovah ho namako ve aho?’
  • Ho Tena Akaiky An’Andriamanitra Ianao Raha Atao Batisa
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ry Tanora, Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 17-19

Manontany Ny Tanora Hoe. . .

Vonona ho amin’ny batisa ve aho?

Ho an’ny Fikambanana Watchtower,

Sophie no anarako ary 13 taona aho. Manontany tena aho raha toa ka vonona ho amin’ny batisa ny tenako. Mihevitra izany aho, nefa mbola tsy azoko antoka. Tsy isalasalako fa maro amin’ireo tanora kristiana no manontany toy izany. Raha sitrakareo, azonareo atao ve ny manoratra lahatsoratra iray izay hamela ahy hahalala ny valiny?

MARINA ny an’i Sophie: tanora maro be izay matahotra an’Andriamanitra no mieritreritra ny batisa. Eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah, ireo tanora dia mahafantatra fa anjaran’izy ireo ny mandray fanapahan-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra ary tsy ho azon’ireo ray aman-dreniny atao ny hanao izany eo amin’ny toeran’izy ireo. Fantatr’izy ireo koa fa i Jesosy Kristy dia nanome didy an’ireo mpianany mba hanamarika ny fanoloran’izy ireo ny tena ho an’Andriamanitra amin’ny fanaovana batisa azy ao anaty rano. — Matio 28:19, 20.

Andraikitra lehibe ny fanaovana fanambarana ampahibemaso ny maha-mpanompo nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Azo antoka fa tsy hirinao ny hanao io dingana io tsy amim-pieritreretana, mba hampifaliana fotsiny ireo namanao, na ireo ray aman-dreninao. Ary koa, tsy misy olona tokony hanery anao handray fanapahan-kevitra toy izany (Salamo 110:3). Nanoro hevitra kosa i Jesosy ny amin’ny ‘hiheverana izay ho lany’ amin’ny maha-mpianany (Lioka 14:28). Tsy hoe tsy maintsy anontaniana ianao na maniry ho mpianatr’i Kristy na tsia; mety tokoa ny hahatongavanao amin’izany. Kanefa, tsy maintsy fantatrao tanteraka izay tafiditra amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovaha. Tokony hojerenao koa avy eo raha toa ianao ka vonona marina hiantsoroka io andraikitra io.

‘Ampy taona ve aho?’

Rehefa mihalehibe ireo zatovo dia mihevitra matetika fa manana zo hanararaotra tombontsoa sy andraikitra sasany. Raha vao azon’izy ireo atao, dia mikiry izy ireo amin’ny mba hamelana azy ireo hitondra ny fiarakodian’ny fianakaviana, sy mba hanana asa kely hatao, na vola am-paosy. Kanefa, rehefa raharaha momba ny batisa, dia maro be no manao ny taonan’izy ireo ho fialana tsiny na milaza fa mbola tsy vonona hiantsoroka io andraikitra io izy. Nanao izao fanamarihana izao i André: “Maro ireo tanora no miandry ho 17 na 18 taona vao hatao batisa; efa somary tratra aoriana izany.” Inona no tiany hambara? “Ny taonan’izy ireo dia tsy nanakana azy tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra manokana hafa hatramin’ny taona maro.”

Tsia, ny maha-zatovo anao fotsiny dia tsy fialan-tsiny mba ‘hampiroa saina’, na antony azo ekena mba tsy handraisana fanapahan-kevitra amin’ny maha-kristiana (1 Mpanjaka 18:21). Tsy nandefa izao fampirisihana izao ve ny Baiboly: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpitoriteny 12:1). Tahaka izany, i Samoela mpaminany dia anisan’ireo izay nanomboka nanompo an’i Jehovah fony mbola tena tanora (1 Samoela 3:1-18; 12:2). Toy izany koa, i Davida mpanao salamo dia afaka nilaza hoe: ‘Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.’ — Salamo 71:5.

Tahaka izany, amin’izao androntsika izao, dia tanora kristiana an’arivony maro, izay mbola tsy tena ao anatin’ny taona maha-zatovo, no niseho ho ampy fahamatorana mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy ekena fa misy zatovo sasany tsy ampy fahamaotinana, ary koa fahaiza-mandanjalanja sy fahamatorana ara-pihetseham-po tena ilaina mba handraisana fanapahan-kevitra lehibe toy ny fanaovana batisa (Ohabolana 22:15). Tena izany tokoa ve ny aminao? (Tsy isalasalana fa ho tsara toerana ireo ray aman-dreninao mba hamaly izany.) Tsy manantena ny hananan’ny zatovo iray ny fahamatoran’ny olon-dehibe 40 taona akory Andriamanitra. Fantany tsara fa mora andairan’ny “filan’ny tanora fanahy” ianao. (2 Timoty 2:22.) Kanefa, raha manana fihetsika azo lazaina hoe maotina sy vonona hiantsoroka andraikitra sahady ianao, dia azo inoana fa ampy taona ianao mba hikasa hanolotra ny tenanao ho an’Andriamanitra. Misy anefa fanontaniana hafa tsy maintsy lazainao amin’ny tenanao.

‘Manana fahalalana ampy ve aho?’

Ao amin’ilay bokiny hoe Ny andro maha-zatovo (anglisy), i F. Rice dia manamarika fa “ny fahazoana an-tsaina tsotra fotsiny sy tsy dia lalina loatra ny fivavahana dia tsy azo antenaina firy fa hahatohitra ireo fanafihana sy ireo fisedrana”. Mbola nanampy izy hoe: “Misy filazana sasany mampiseho fa ireo tanora amin’ny andro ankehitriny dia tena tsy mahafanta-javatra. Ny fandinihana natao tamin’ny fianarana Baiboly azon’ireo mpianatra protestanta sy jiosy tao amin’ny taona faharoa teny amin’ny oniversite dia nampiseho tena tsy fahalalan’izy ireo ny Testamenta Taloha sy Vaovao.”

Io fanamarihana io dia tsy tokony ho voamarina eo amin’ireo mpilatsaka hatao batisa. Mba hahatongavana ho mpianatra, izany hoe hampianarina, dia tsy maintsy manomboka ‘mianatra mahafantatra’ tokoa ny tsirairay. (Jaona 17:3, MN; Matio 28:19.) Raha izany no izy, moa ve tsy ara-drariny ny tokony hanantenana ny hahalalanao, fara faharatsiny ireo “abidim-pianaran’ny fanambarana masin’Andriamanitra” alohan’ny hanaovana batisa anao (Hebreo 5:12, MN)? Amin’izany, dia tsy maintsy fantatrao ankoatra ny zavatra hafa izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fanahy (âme), ny toetran’ireo maty, ny momba ilay Fanjakana, ny avotra ary ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra.

Marina fa ianao dia tsy maintsy efa manana fahalalana sasany momba ny Soratra masina noho ianao miaraka amin’ireo ray aman-dreninao any amin’ireo fivoriana kristiana. Kanefa, ny fahalalana izay azo avy amin’izany dia mety ho tsy nohalalinina ary tsy azo antenaina loatra fa “hahatohitra ireo fanafihana sy ireo fisedrana”. Tsy maintsy mahay milaza amin’ny hafa ny ‘anton’ny fanantenana ao anatinao’ ianao. — 1 Petera 3:15.

Nino ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Thérèse. Niaiky toy izao anefa izy: “Tsy nanao izay hahitana fahafahampo tamin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana nataoko tamin’ny tenako mihitsy aho. Nanomboka nitady izany aho tato ho ato.” Inona no vokatr’io fandaharam-pianarana io? “Mitombo ny finoako, ary hitako izao fa ankehitriny aho dia afaka miresaka amin’olona amim-piekena tanteraka. Milaza amin’ireo tanora Vavolombelona rehetra aho mba tsy hatahotra ny hanontany tena raha ny fahamarinana tokoa no arahiny. Hamarino izany! Manaova fikarohana, mianara. ‘Hamarino ny zavatra rehetra.’ Amin’izay ianao dia ho afaka hanolotra ny tenanao ho an’i Jehovah amin’ny fo rehetra.” — 1 Tesaloniana 5:21, MN.

“Mankatò ny teny”

Kanefa, isika dia tsy maintsy ‘ho mpankatò ny teny, fa tsy mpihaino fotsiny ihany’. (Jakoba 1:22.) Tsy afaka ny ho mpilatsaka hatao batisa ianao no sady ‘hanafina ny maha-ianao anao’ amin’ny fanafenana fahadisoana lehibe (Salamo 26:4, MN). Aoka hotononintsika, anisan’izany fahalotoana izany, ny fanao maloto momba ny lahy sy ny vavy, ny fimamoana, ny fampiasana zavatra mahadomelina na ny iray amin’ireo fahotana, na inona izany na inona, voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 6:9, 10. Raha toa ianao ka nahita fahasahiranana tamin’ny iray amin’ireo zavatra ireo, nahoana no tsy manao fandaharana miaraka amin’ireo ray aman-dreninao mba hiresaka ny amin’izany amin’ny sasany amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona? Matokia fa hahazo fanampiana amim-pahamoram-panahy ianao. — Jakoba 5:14, 15.

Mety ho tsy maintsy manao fanovana ianao eo amin’ny fomba fitondranao ireo ray aman-dreninao na ny fomba fiheveranao ny torohevitra avy amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, na eo amin’ny fomba fifidianana ireo namanao koa aza (Ohabolana 6:20; 13:20; 1 Korintiana 15:33; Hebreo 13:17). Mitaky fiezahana indraindray ny fanaovana fiovana tahaka izany, kanefa ny Ohabolana 11:19 dia mandefa ho antsika izao fampahatsiahivana izao: “Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana; fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana.”

Mitaky fahatanterahana aminao ve i Jehovah? Tsy izany velively. “Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho ka madio tsy manana ota?” hoy ny Ohabolana 20:9. Amin’ny maha-tsy tanteraka antsika, dia manana fironana mandrakariva hanao fahadisoana isika. Kanefa, noho ny avotra natolotra tamin’ny alalan’i Kristy, dia afaka ny hanana ny fankasitrahan’Andriamanitra isika (1 Jaona 2:1, 2). Araka izany, ny tanora iray izay manao ady mafy mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy iray, toy ny fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy (masturbation) izay fanao tsy madio, dia tsy tokony hieritreritra fa izany dia manakana azy tanteraka amin’ny fanaovana batisab. Raha ny marina, dia azo atao ny mampifaly ny fon’i Jehovah amin’ny fanoherana mafy amim-paharetana ny tsy fahamarinana. — Ohabolana 27:11.

‘Nanao an’i Jehovah ho namako ve aho?’

Ary raha toa ny fanontaniana tena lehibe ka nahakasika ny fifandraisanao amin’i Jehovah? Tadidio izao: ianao dia tsy manolo-tena na ho an’ny asa, na ho an’ny raharaha, na ho an’ny fandaminana iray koa aza, fa ho an’Andriamanitra. Mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny hery saro-pantarina sy lavitra ny olona ve ianao, sa ianao tonga amin’ny fahafantarana azy sy amin’ny fitiavana azy amin’ny maha-Persona (Eksodosy 34:6, 7)? Amin’io lafiny faharoa io, ianao dia afaka hiresaka aminy matetika, tsy amin’ny fomba mandeha ho azy, fa amim-pahatsorana. — Salamo 62:8.

Ankoatra izany, ianao dia hahatsiaro tena fa tsy maintsy miresaka amin’ny olon-kafa ny amin’Andriamanitra (Jereo 2 Korintiana 5:14). Izao no voalazan’ny Ohabolana 15:7: “Ny molotry ny hendry [manohy, MN] mampiely fahendrena.” Manao izany ve ianao amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana? Sa ianao mamela ny fialam-boly, ny fanalana andro, na ny hakamoana koa aza, hanakana anao amin’ny fanampiana ny namanao hahafantatra an’Andriamanitra? — Ohabolana 19:24.

Eny, mba hampisy heviny ny batisanao, dia Andriamanitra no tokony ho namanao akaiky indrindra (Jereo Jakoba 2:23). Raha tsy toy izany no izy ny amin’izao fotoana izao, dia tsy noho Andriamanitra velively, satria izy dia manasa amin-kafanam-po ny olona tsirairay mba hitady azy (Asan’ny Apostoly 17:27). Amin’ny faharetana amin’ny fianarana manokana, amin’ny vavaka ary amin’ny fifaneraserana amin’ireo mpanompony, dia ho tonga amin’ny fahatsapana fa akaiky kokoa azy ianao. (Romana 12:12; 1 Timoty 4:15; Hebreo 10: 24, 25). Koa satria ho “nanatona an’Andriamanitra” ianao tamin’izany, dia tonga ho azy ny fanekenao hatao batisa. — Jakoba 4:8

Hevero ohatra ny toerana nisy an’i Cécile. “Efatra ambin’ny folo taona aho no natao batisa”, hoy ny nosoratany. “Fantatro ny hoe misalasala rehefa hanao io dingana io, kanefa dia tiako ny milaza fa tsy misy na inona na inona tsara noho ny batisa. Saintsaino kely ange: mahafantatra fa mankasitraka anao i Jehovah ary ‘tsy handao anao Izy; tsia, tsy hahafoy anao izy’! (Hebreo 13:5, MN). Na iza na iza tonga manontany ahy raha tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah izy, dia hamaly aho hoe eny. Nefa aza manao izany mba hampifaliana olona iray. Ataovy izany satria manana faniriana ny hanao izany ianao.”

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lohateny hoe “Tsy maintsy atao batisa ve aho?” ao amin’ny lahatsoratra eo aloha.

b Jereo ny toko faha-25 sy 26 amin’ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Sary, pejy 18]

Tanora maro be no miomana ho amin’ny batisa. Ary ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara