Ny Fiheveran’ny Baiboly
Amin’ny fotoana toy inona no manomboka ny fiainan’olombelona?
NY 21 SEPTAMBRA 1989 dia andro nanan-tantara ho an’ny Distrikan’ny fitsarana fahadimy tany amin’ny fanjakan’i Tennessee, any Etazonia. Tamin’io andro io, ny fitsarana mpitety faritany dia nanonona ny heviny mba hanapahana hoe iza amin’ireo ray aman-dreny nangataka fisaraham-panambadiana no homena lalana hitaiza ireo fanjary tsaikan’olombelona (embryon humain) fito notehirizina tao anatin’ny hatsiaka be. Kanefa talohan’izay, dia nitaky ny handaminana azy aloha ny zavatra niadian-kevitra hafa iray: Moa ve ireo fanjary tsaika tokony hoheverina ho fananana sa zavamiaina olombelona?
Nohamarinin’ny profesora Jérôme Lejeune avy any Paris, manam-pahaizana momba ny tarazo fanta-daza maneran-tany, teo anatrehan’ny fitsarana, fa ny olombelona tsirairay dia manana fiandohana miavaka iray izay mitranga eo amin’ny fotoan’ny fahatorontoronina, ary “raha vantany vao torontoronina ny olona iray dia olona”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, manomboka eo amin’ny ambaratongan’ny sela telo (zygôty), ny fanjary tsaika, araka ny nambarany tamin’ny fitsarana, dia “zavamiaina olombelona bitika”! — Izahay no manao soramandry.
Rehefa nanontaniana izy raha nanambara tamin’izany filazana izany fa tokony hatao mitovy zo amin’ny olon-dehibe ny zygôty, dia izao no navalin’ny Dr. Lejeune: “Tsy hilaza izany aminareo aho satria tsy eo amin’ny toerana tokony hahafantarana izany. Ny lazaiko aminareo kosa dia hoe zavamiaina olombelona izy, ary ny fitsarana avy eo no hilaza na manana zo mitovy amin’ny hafa io zavamiaina olombelona io na tsia (...) Kanefa amin’ny maha-manam-pahaizana momba ny tarazo ahy dia manontany ahy ianareo raha olombelona io zavamiaina olombelona io, dia hilaza aminareo aho hoe: satria izy io zavamiaina sady olombelona, dia zavamiaina olombelona izy io noho izany.
Niorina voalohany indrindra tamin’ny fanamarinana tsy azo lavina nataon’ny Dr. Lejeune, dia izao ny telo tamin’ireo fanatsoahan-kevitra misongadina nataon’ny fitsarana:
◻ “Avy amin’ny fahalonahana, ireo selan’ny fanjary tsaikan’olombelona dia tafasaraka, miavaka, ary faran’izay manokana”.
◻ “Tsy fananana ny fanjary tsaikan’olombelona”.
◻ “Manomboka eo amin’ny fahatorontoronina ny fiainan’olombelona”.
Moa ve izany mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fiandohan’ny fiainan’olombelona?
Manomboka eo amin’ny fahatorontoronina ny fiainana
Jehovah Andriamanitra no “loharanon’aina” ary “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika”. (Salamo 36:9; Asan’ny apostoly 17:28). Amin’ny fotoana toy inona no manomboka ny fiainana hoy ny Mpamorona? Heveriny ho sarobidy ny ain’ny zaza iray na dia mandritra ny ambaratongam-pitomboana voalohany aorian’ny fahatorontoronina aza. Maherin’ny 3 000 taona talohan’io didim-pitsarana etsy ambony io, dia nomeny tsindrimandry i Davida mpaminaniny mba hanoratra hoe:
“Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Ny tenako [taolako,MN] tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina [tao am-bohoka] aho, ka noforoninao hisy endrika [notenominao, MN (mampahatsiaro ny mpamerindra sy mpanelira izay toa peta-kofehy manerana ny vatana toy ny kofehy miloko amin’ny lamba)] tany ambanin’ny tany [filazalazana poetika ny amin’ny haizina ao am-bohoka]. Ny masonao efa nahita ahy na dia tsy mbola ary fady [na dia mbola fanjary tsaika, MN] aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [ny tapany rehetra aminy, MN].” — Salamo 139:13-16.
Manomboka eo amin’ny fotoana fahatorontoronina, dia manaraka lalana voafaritra tsara ny fitomboan’ilay aina toy ny hoe mankatò ireo toromarika ao anaty boky iray, boky iray tena lehibe. “Ny filazana rehetra ao anatin’ny zigôty”, hoy ny Dr. Lejeune, “raha vakin’ny ôrdinatera iray ka ampidirina ao anatiny, dia hilaza amin’ilay ôrdinatera ny fomba fanombanana izay hitranga manaraka; betsaka aoka izany ireo filazana rehetra ireo ka tsy misy olona afaka mandrefy azy.”
Sarobidy ny ain’ny zaza tsy mbola teraka
Araka izany, ny zaza tsy mbola teraka mitombo ao am-bohoka dia zavatra lehibe lavitra noho ny vaingana tambatsela fotsiny. Misy vidiny lehibe izy io, ary noho izany no nanambaran’Andriamanitra fa hampamoahina ny olona iray raha mandratra zaza tsy mbola teraka. Mampitandrina toy izao ny lalàny ao amin’ny Eksodosy 21:22, 23: “Raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan-anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona [loza mahafaty, MN], dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay andidian’ny mpitsara izy. Fa raha misy maninona [loza mahafaty, MN] kosa, dia hanome aina solon’ny aina hianao.”
Misy Baiboly sasany mandika ireo andinin-teny eo ambony ireo amin’ny fomba izay mahatonga hihevitra fa izay nanjo an’ilay vehivavy no tena ifantohan’ilay lalàna. Kanefa ny soratra hebreo tany am-boalohany dia mampitodika ny saina ho amin’ny loza iray mahafaty mety hanjo ilay reny na ilay zaza.a Noho izany, ny fanalana zaza iniana atao mba tsy hiterahana zaza tsy nirina fotsiny dia famonoana olona an-tsitrapo.
Mety hisy olona sasany hanohana fa tsy olombelona ny fanjary tsaikan’olombelona satria izy io dia tsy afaka mahavita tena any ivelan’ny kibon-dreniny. Fanjohian-kevitra poaka aty izany. Tsy misy olona hisalasala ny amin’ny maha-olombelona ny zaza vao teraka iray — niaina minitra vitsivitsy monja. Kanefa, raha avela any alatrano mitanjaka io zaza io, hafiriana no hahavelomany? Tsy manam-piarovana tanteraka izy ary, sahala amin’ny fanjary tsaika na ny zaza am-bohoka iray, dia tsy afaka mahavita tena. Mila fialofana, hafanana ary sakafo ny zaza vao teraka — dia ny famelomana sy ny fanampiana ary ny vonjy izay olon-dehibe iray, toy ny reny ihany, no afaka manome azy.
Noho izany, ilay didim-pitsarana voalaza etsy aloha, dia mifanaraka amin’ny fiheveran’ny Baiboly fa manomboka eo am-pahatorontoronina ny fiainan’olombelona. Tsy zavatra tsy misy vidiny akory ny ain’ny zaza tsy mbola teraka ka azo iniana esorina toy ny zavatra manorisory hafa tafatsofoka ao amin’ny tena. Masina ny ain’olombelona, tsy hoe aorian’ny andaozany ny kibon-dreniny ihany, fa raha mbola ao am-bohoka koa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny anarana hoe “loza mahafaty” (Hebreo: ʼasôn) dia tsy mifamatotra manokana amin’ny hoe “vehivavy manan-anaka”; araka izany, ilay loza mahafaty dia tsy voafetra hanjo ilay vehivavy ihany fa mahafaoka ara-drariny koa “ny zanany” ao am-bohoka.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]
Lapan’i Windsor, Fitehirizam-bokin’ny mpanjaka. © 1970 Ny Mpanjakavavy Hajaina.