Mihena ny ala, misondrotra ny maripana
FANDRIPAHANA ireo alan’ny tany mafana sy fanafanana. Mahalana no iresahana ny iray fa tsy izy roa miaraka amin’ireo fisehoan-javatra ireo. Ary misy antony: ilay faharoa dia anisan’ny vokatr’ilay voalohany. Amin’ny fandoroana, amin’ny fikapana, ary amin’ny fanatobahana rano ny faritra be velaran’ny ala mba hanamboarana ireo toeram-piompiana, lalana, na ireo tohodrano fitarihana herin’aratra, ny olombelona dia manampy amin’ny fampitomboana ny habetsahan’ny fatran’ny dionarina ao amin’ny atmôsifera. Ny roanôkisida-na karbônina miforona avy amin’izany dia iray amin’ireo gaza maro be izay manakana ny hafanana tsy hivoaka avy ao amin’ny atmôsifera ary dia mahatonga ny bolantany hihamafana tsikelikely.
Ny tatitra vao haingana avy tamin’ny Firenena mikambana dia nanambara fa ny toe-javatra any amin’ireo tendron-tany roa dia tena mety ho ratsiratsy kokoa noho ny nieritreretana azy. Araka izany, tamin’ny may 1990, dia nisy antoko iraisam-pirenen’ny manam-pahaizana momba ny toetany maherin’ny 300, nanao izao antsoantso fanairana izao: Raha toa ka tsy manao zavatra mba hanovana ny fironana ny olombelona, ny antsalan’ny maripanan’ny planeta dia hisondrotra 2 degre ao anatin’ny 35 taona ary 6 degre any amin’ny faran’ny taonjato ho avy.
Araka ny filazan’ireo mpahay siansa, dia ho ny fiovan’ny maripana tampoka mbola tsy hitan’ny tany mihitsy tao anatin’ny 10 000 taona izany. Tsy mifanara-kevitra ny fikambanan’ny mpahay siansa amin’ny raharaha mikasika fanafanana, kanefa, araka ny voalazan’ny Washington Post, “ireo izay nanoratra ilay tatitra (...) dia nilaza fa izany dia nahatonga fifanarahana mahagaga teo amin’ireo manam-pahaizana izay tsy nifanaraka matetika” .
Toy izany koa, ny tatitra iray mitondra ny lohateny hoe Famonjena izao tontolo izao 1990-1991 (anglisy) dia manombana fa ireo alan’ny tany mafana dia fongana hatrany amin’ny 50 % ambonin’ny voalaza tao amin’ireo fanombatombanana teo aloha. Ny taha iraisana momba ny fandripahana ireo ala, ho an’ireo tany mafana sivy any Azia, Afrika, ary Amerika Atsimo dia nihoatra ny avo telo heny nandritra ireo taona 80. Araka ny tatitra natao, manerana izao tontolo izao dia 16 ka hatramin’ny 20 tapitrisa hektara ny alan’ny tany mafana no fongana isan-taona.
Ireo vokany farany hatramin’izao dia tena tsapa. Ny International Wildlife dia mampahafantatra fa ireo alan’ny tany mando eto amin’ny planeta dia mampialoka, fara fahakeliny 5 tapitrisa, ary mety ho 30 tapitrisa aza, karazam-biby sy zavamaniry — “izay tsy hita mihitsy any amin’ireo rafitry ny tany hafa rehetra mitambatra” . Ary anefa ireo karazana ireo dia rahonan’ny fahalanian-tamingana. Any amin’ny ila bolantany avaratra, ny sasany amin’ireo manam-pahaizana mpiahy ny vorona dia nanomboka nahamarika fa mihavitsy ireo vorona mpifindra monina avy any amin’ny alan’ny tany mafana.
Eo amin’ny 80 %-n’ireo zavamaniry mamelana izay maniry eto Madagasikara no tsy hita mihitsy any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao. Ny iray amin’ireny, ny vonenin’i Madagasikara (pervenche), dia tafiditra amin’ny fanamboarana fanafody sasantsasany izay tena ilaina hiadiana amin’ny homamiadana. Kanefa, ny antsasany mahery amin’ireo ala malagasy dia efa simba na fongana.
Mifanaraka amin’izay nambaran’ny Baiboly efa ela be momba izay hitranga amin’ny andro farany, fa eo ‘am-panimbana ny tany’ tokoa ny olona. — Apokalypsy 11:18.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Abril Imagens/João Ramid